Namoy ny ainy, omaly, vokatry ny tsindron’antsy nahazo azy teny amin’ny Fast Food Ankatso II, i Andersen. Namelaka ny tovolahy iray nikitika ny olon-tiany izy, antony namonoan’ny olona azy.
Nitrangana vono olona niharo tsindron’antsy, nandritra ny lanonana fandraisana mpianatra vaovao eo anivon’ny Cream (Cercle de réflexion des étudiants pour l’avenir de Mandritsara), natao teny amin’ny Fast Food Ankatso II, ny sabotsy alina lasa teo. Lasibatra tamin’io tranga io ny tovolahy iray antsoina hoe: Andersen, 25 taona, manaraka ny lalam-piofanana Lettre Anglaise eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo. Nahitana tsindron’antsy maromaro teny amin’ny vatan’ity niharam-boina ity, anisan’izany ny teo amin’ny fony, raha ny tatitra voaray. Nentina nihazo ny hopitaly HJRA Ampefiloha izy taorian’ny loza nahazo azy saingy tsy tana ny ainy. Niantso ny polisim-pirenena avy amin’ny CSP2 Ambohijatovo ny filohan’ny Cream, omaly tamin’ny 01 ora sy 25 minitra maraina. Tonga haingana nijery ny zava-misy sy nanao ny fanadihadiana izy ireo, taorian’ izay.
Niaro ny olon-tiany
Nanomboka ny sabotsy tamin’ny 10 ora maraina ny lanonana ary nitohy ny alina. Nony tamin’ny 12 ora alina tany ho any, nokitihin’ny lehilahy iray ny olon-tian’io tovolahy maty io. Nahita izany izy ka namelaka ilay lehilahy nikitika, raha ny fanazavana voaray. Nivoaka ny lanonana ary nitondra namana telo hafa tany ivelany ity farany ary nitangorona namono an’i Andersen. Nahatsindry ny iray tamin’ireo olon-dratsy anefa izy. Tsy nampoiziny fa tsatok’antsy intelo avy any ambany no nahazo azy. Lasa nitsoaka niaraka tamin’ny fiara Peugeot miloko grenat ny nahavanon-doza taorian’izay.
Nitolo-batana teny amin’ny mpitandro filaminana ilay nahavanon-doza, rehefa nandositra taorian’ny asa ratsy nataony, raha ny fanazavana voaray. Tsy mbola nahazoana tatitra ny momba ity nahavanon-doza ity kosa ny avy amin’ny polisy. Andrasana ny tohin’ny raharaha.
Mino




