Ravan’ny mpitandro filaminana ny fikambanan-jiolahy mitam-piadiana tao Mahajanga renivohitra, ny faran’ny herinandro teo. Manoloana ny asa ratsy miseholany voarain’ ny polisy miasa ao amin’ny kaomisaria foibe, nanao hetsika manokana hisamborana ireo tsy valahara izy ireo. Naharay loharanom-baovao ny mpitandro filaminana fa mialokaloka ao amin’ny tanàn’Antanimalandy ny olon-dratsy iray anatin’ny fikambanan-jiolahy. Tratra tao amin’ny toerana voatondro io lehilahy io. Natao famotorana ka nitoroka ireo mpiara-manao ny asa ratsy aminy. Nitohy ny vela-pandrika ka voasambotra tao Tsararano Ambony ny olona miisa telo, ny 17 septambra. Nitohy ny fanadihadiana lalina ka niampy ireo olona tratra. Mpihazona ny fitaovam-piadiana fanaovana ny asa ratsy io sarona io. Ankoatra io, niampy dimy ireo voasambotra ny tolakandron’ io 17 septambra io. Mpitahiry sady mpanafina ny entana halatra ireto farany. Nogiazana avokoa ny entana tratra teny amin’izy ireo. Atolotra ny fampanoavana ny raharaha. Andrasana ny tohiny.
Tsiferana R.




