Tanterahina any Addis-Abeba, Etiopia, ankehitriny, ny fihaonambe ao anatin’ny tetikasa «Knowledge Exchange». Tafiditra ao anatin’ny fandaharanasa Global Program for Responsable Land Policy (GPRLP) tarihin’ny fiaraha-miasa alemà GIZ. Manangona sy mampifandray ireo manampahaizana sy teknisianina amin’ny fitantanana ny fananantany avy any amin’ny firenena maro aty Afrika ny tetikasa. Tanjona ny hifampizarana fahalalana sy traikefa avy amin’ireo firenena tsirairay. Satria manampy betsaka amin’ny fanatsarana ny fomba fanao sy ny vahaolana amin’ny sehatry ny fananantany izany.
Anisan’ny mandray anjara amin’ity fihaonambe ity ny mpandrindra nasionaly (CN) ny Sehatra iombonana ho an’ny fananantany (Sif), i Lahatra Harijery. Navoitrany fa «ho an’i Madagasikara, ezahina ny hitondra sy ny hampihatra ireo traikefa sy fahaiza-manao voaray amin’ny asa aman’andraikitra sahanin’ireo mpisehatra amin’ny lafiny fananantany».
Njaka A.




