Tsy maintsy hajaina ny fe-potoana nifanarahana. Nanome toromarika ny orinasa Samcrete, manamboatra ny arabe migodana, Antananarivo-Toamasina, ny minisitry ny Asa vaventy (MTP), Rafidison Richard Théodore. Nohamafisiny fa mila hafainganina ny fanohizana ny asa. Tazonina sy tohizana ny traikefa tsara tamin’ny namitana ny 8 km teo. Mbola misy 80 km ny ampahany voalohany nifanarahana, avy eto Antananarivo hatrany Anjozorobe.
Namoaka boky torolalana ny Ladoany malagasy. Boky fampianarana ho an’ny mpianatra ny Fadintseranana. Hazavaina tsotra miaraka amin’ny sary sy ny andraikitry ny ladoany izany. Manamora ny fifanakalozana ara-barotra, miady amin’ny kolikoly sy ny trafika tsy ara-dalàna ary mamatsy ny kitapombolam-panjakana. Rohy ahitana ny boky ny https: //www.douanes.gov.mg/livret-de-decouverte/.
Hisy ny fanadihadiana momba ny Vondrona tantsaha, vehivavy, anatin’ny faritra 7 hiasan’ny tetikasa Riz Plus sy ny FSRP (Itasy, Vakinankaratra, Atsimo Atsinanana, Sava, Atsimo Andrefana, Boeny ary Sofia). Eo ambany fiahian’ny minisitera Minae, famatsiam-bola avy amin’ny Banky iraisam-pirenena. Hatao ny 21 oktobra hatramin’ny 18 desambra 2025 izany.




