Antsirabe: Milamina sy madio ary mora ny vidim-piainana

Betsaka amin’ireo faritra eto Mada­gasikara no manana ny mampiavaka azy. Anisan’ireo manana ny lazany manokana, indrindra amin’ny lafiny fahadiovana, An­tsira­be.

Faritra iray mahasarika olona maro noho ny fahadiovany sy ny filaminany Antsirabe. Nisy ny fanadihadiana ifotony teny amin’ny tanàna an-dReni­vohitra Antsirabe, ny asabotsy lasa teo. Araka ny tazana eny an-toerana, madio sy milamina ny manodidina ny Kao­minina Antsirabe. Raha ny filazan’ny olona iray teny an-toerana, efa nampalaza an’ity faritra ity mihitsy io resaka fahadiovana io, ary izay no nahatonga ilay hira hoe : «Antsirabe, tanàna madio, Antsirabe tanàna madio …»
Maro amin’ireo mponina any an-toerana ihany koa ny tsy miantehatra amin’ny resaka fangatahana fotsiny fa manao asa famoronana mba hahazoana vola. «Hi­arahana mahalala fa sarotra dia sarotra ny fiainana amin’izao. An-kavitsiana amin’ny olona aty no miantehatra loatra amin’ny hataka izany, fa ny mivarotra ireo taozavatra sy manao asam-pitaterana amin’ny posy no tena ahafahan’izy ireo mahazo vola», hoy i Eric, lehilahy iray monina ao Antsirabe.

Ankoatra izay, misy hetsika maro toy ny fitaingenana soavaly, toerana fialana voly sy hanaovana fiaraha-misotro isaky ny hariva, ny ao An­tsirabe. Misy ihany koa ny toerana azo itsangantsanganana, toy ny eny Ranomafana, sy ny eny amin’ny dobo voanjanahary Tritriva.

Mora ny fiainana

Anisan’ireo faritra mifototra amin’ny fiompiana sy fambolena i Vakinankaratra. Ma­nodidina ny 500 Ariary eo ny lasopy sy composé any an-toerana, raha toa ka 1000 Ar ny fanjifana izany matetika aty an-dRenivohitra. Mitovy vidy amin’io ihany koa ny Yaourt, ary mampalaza ny faritra
ny fivarotana ronono sy fromage.

Mbola mahazo mofo mangahazo misy sira na ny «jtm» ny 20 Ar, ary 600 hatramin’ny 800 Ariary eo ny kilaon’ny ovy sy karaoty. Mitovy amin’ny vidiny eto Antananarivo ihany kosa ny ny vary.

« Tokony hasiana fanamboarana »

Mbola manahirana ny olona rehefa mankany Antsirabe ny resaka lalana. Raha ao an-drenivohitry ny faritra manokana izao, misy ireo lalana mbola tsy nasiana fanamboarana. Mbola misy lavaka koa ny any ambanivohitra, ka miantso ireo tomponandraikitra ny mponina.
«Azo lazaina fa efa mba milamina ihany ny resaka lalana aty aminay fa misy ihany ireo tokony hasiana fanamboarana», tenin’i Bakoly, renim-pianakaviana iray ao an-toerana.
Ankoatra ny eo an-tanàna, mbola andrasana ihany koa ny fahavitan’ny lalam-pirenena fahafito, mampifandray ity faritra ity, amin’Antananarivo.
Araka ny fahitana azy, tamin’izay nandeha teny an-toerana, kilometatra vitsivitsy eo sisa andrasana ny famitana azy, ary tsy dia ahitana lavaka loatra. Raha lalana vita tao anatin’ny adiny telo matsy Antananarivo – Antsirabe teo aloha, izao, efa mahatratra hatramin’ny adiny dimy na enina.
«Antenaina fa hiantefa any amin’ireo tomponandraikitra ny hafatra sy ny antso avo ataon’ireo mpampiasa lalana sy ny mponina rehetra», hoy ny nambaran’ny olona iray any an-toerana.

Nanatontosa : Fitia Randria

Partager sur: