Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, ny sabotsy lasa teo, ny « Fablab EnR-out ». Tetikasa vaovao mikendry ny hampiofana ny tanora amin’ny sehatry ny angovo azo havaozina.
Foibe mandehandeha izy io, mitovitovy amin’ny maodely « C’est pas sorcier », saingy mifantoka manokana amin’ny fampiroboroboana ny angovo azo havaozina. Hanome fahafahana ireo hianatra mivantana, hanandrana fitaovana ary hifandray amin’ny sehatry ny asa no tanjon’ny tetikasa. Hifantoka amin’ny angovo avy amin’ny masoandro ary hisokatra ho an’ny mpianatra avy amin’ny Oniversite sy ny sekoly teknika eto an-dRenivohitra sy Soavinandriana ny dingana voalohany, manomboka ny volana septambra ka hatramin’ny desambra 2025. « Tsy mahasolo ny fianarana asa (stage) akory ny Fablab EnR-out, fa manamora ny fidirana amin’ny asa, indrindra ho an’ny vehivavy izay mbola sarotra ny misitraka fahafahana amin’ny asa ara-teknika », hoy ny tompon’ny tetikasa Fablab EnR-out, Ravolatahiana Cadeau Adjamie. Nohamafisiny fa zava-dehibe ny « girl power » satria mbola vitsy ny vehivavy tafiditra amin’ity sehatra ity. Araka ny antontanisa, 36 % ny tokantrano eto Madagasikara no manana herinaratra, ankehitriny, 7 % monja ny any ambanivohitra. Io no sakana lehibe ho an’ny fampandrosoana, sady mbola voafetra ihany koa ny anjara toeran’ny vehivavy amin’ny asa mifandraika amin’ny angovo.
Hanofana teknisianina 600
Ho setrin’izany, hanolotra fiofanana maimaimpoana mandritra ny telo taona ny Fablab EnR-out. Hanofana teknisianina 600 (vehivavy ny antsasany), hamorona prototype 50 ary hampiditra tanora 300 amin’ny asa izy ireo. Nandritra ny lanonam-panokafana teny Anosy, naseho ny tranonkala ofisialy, natao ny forum sy dinika, nisy ny fijoroana vavolombelona nataon’ireo injeniera sy vehivavy mpandraharaha. Nisokatra ihany koa ny fisoratana anarana. Voafidy ho anisan’ireo tetikasa nandresy tamin’ny « Just Energy Transition Learning and Innovation Grants 2025 » ny Fablab EnR-out, notohanan’ny Fondation Avina sy Impulsouth. « Vahaolana eo an-toerana, mirindra ary maharitra no entin’ity tetikasa ity », hoy ny mpiara-mitantana ny fandaharanasa Impulsouth, Andriarisoa Mirana.
Henintsoa




