Toliara II : Nahazo fitaovana vaovao ny mpanjono

Nisitraka fitaovana vaovao avy amin’ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga (MPEB) ireo fikambanan’ny mpanjono miisa dimy ao amin’ny distrikan’i Toliara II, faritra Atsimo Andrefana, araka ny vaovao hita omaly. Lakana vita amin’ny “fibre de verre” misy motera no natolotra azy ireo. Natao hitsidihana sy hitsirihana ny ranomasina ny fomba hampiasana izany. Araka ny tombana natao, nahitana vokatra tsara ny fampiasana ireo fitaovana natolotra. Afaka mandeha lavitra, hatrany amin’ny toeram-panjonoana mihoatra ny 8 km ireo mpanjono ka nahazo vokatra betsaka sy nampitombo ny fidiram-bolany. Nandritra ny fifanakalozan-kevitra, naneho soso-kevitra ihany koa ireo mpanjono. Nilaza izy ireo fa ilaina ny fanarenana sy fanatsarana ny fitaovana, indrindra ny fanamboarana lakana mirefy 7 metatra ny halavany, 1 metatra ny sakany ary 0,9 metatra ny halaliny, mba hahafahana miatrika ny onjan-dranomasina sy hanatsarana ny fivezivezen’ny sambo.

Fitia Randria

Partager sur: