Nifarana ny zoma lasa teo, teny amin’ny Novotel Alarobia, ny fihaonambe faha-3 momba ny fitsinjaram-pahefana ifotony, niarahan’i Madagasikara sy i Frantsa. Nandritra ity roa andro nanaovana fifanakalozan-kevitra sy fifampizarana traikefa ity, fantatra izao fa tetikasa maro no vita sonia. Anisan’izany ny taratasy faniriana hanangana fiaraha-miasa ara-pitantanana ifotony eo amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) sy ny tanànan’i Roubaix, Frantsa. Teo ihany koa ny drafi-piasana iarahan’ny kaominina CUA sy ny faritra Île-de-Frantsa, manomboka ny taona 2025 hatramin’ny 2030.
Ny fifanarahana fanao isan-taona momba ny tetikasa ho an’ny rano eto an-toerana sy any amin’ ny tanànan’i Roubaix.
Ny fiaraha-miasa ara-pitantanana ifotony eo amin’i Billère sy i Soavinandriana, izay manomboka ny septambra 2025 hatramin’ny septambra 2026. Tsy adinoina ihany koa ny fiombonana eo amin’ny Sampandraharahan’ny Rano sy fidiovana eto Madagasikara sy ny Agence de l’eau Rhône Méditerranée Corse, any Frantsa. Miampy ny fifamatorana eo amin’ny tanànan’i Villeneuve d’Ascq sy ny Nosy Sainte Marie.
Ireo fifanarahana sy tetikasa ireo dia manaporofo fa ity fihaonambe ity dia lasa sehatra manan-danja amin’ny fanamafisana sy fanomezana ainga vao ny fiombonan-tanjaka eo amin’i Madagasikara sy i Frantsa. Nahatratra 500 moa ireo mpandray anjara avy amin’ny firenena roa tonta. Nisy ihany koa ny fametrahana vina vaovao ho amin’ny fiaraha-miasa maharitra sy mahomby eo amin’i Madagasikara sy i Frantsa.
Fitia Randria




