Raha somary tsy henoheno firy ny asan-jiolahy amin’ny alalan’ny fanafihana mitam-piadiana mahery vaika, fomba fiady hafa indray no ampiasain’ny andian-jiolahy ao Toamasina, amin’izao. Manao andiany maro tsy latsaky ny 10 na 15 izy ireo ary mirongo antsy sy vy maranitra. Manampy trotraka ny fampiasany karazana akora mampatory na manempotra ny ao an-trano izay ho kendreny rehefa hamaky trano. Ny alin’ny zoma hifoha sabotsy teo, tokantrano telo no indray notetezin’ny jiolahy novakina tao amin’ny fokontany Antsiranampasika sy Analamboanio. Tombanana ho andiany hafa indray koa no namaky trano tao Andranomadio, tsy lavitra ny tsenan’Ambodivolo. Raha ny angom-baovao sy ny sary azo tamin’ny tranga tao Antsiranampasika, vavahadin’ny mpifanolobodirindrina amin’ny trano kendrena no idiran’ireo jiolahy ary mananika fefy izay manasaraka ny tokotany roa ireo malaso. Nampidiran’izy ireo entona manempotra avy eo amin’ny lavaky ny varavarana. Mamaky varavarana ireo jiolahy aorian’izay no sady mandrahona. “Raha mihevitra ny hamaly eo, tonga de tifirinay. Aiza ny vola sy finday”, hoy ireo jiolahy mirongo antsy lavalela, raha ny fantatra.
Amin’ny akapobeny, very fanahy mbola velona ny fokonolona, tsy mandry fahalemana ny eo anivon’ny rafi-piarahamonina, mbola manjaka koa ny andin-jiolahy. Raha ny fanadihadiana, ambaran’ny mpandinika ny raharaha fa saika olom-baovao ny eo anivon’ny polisim-pirenena. Tsy maharaka ary tsy sahy miditra lalampasika. “Ny zavatra hitako amin’ ireo polisy, mody maka sary amina toerana iray mba hilazana fa manao fisafoana amin’ny alina. Matetika, toerana avy andalovan’izy ireo manao fisafoana nefa idiran’ny olon-dratsy”, hoy ny fanazavana avy amin’ny fokonolona efa miaina tebiteby isak’alina.
Sajo




