Tontolon’ny fiompiana : Mihalany ny omby eto Madagasikara

Tantara sisa. Tany amin’ny taona 60, 70, ny hoe: betsaka ny isan’ny omby no ho ny mponina eto Madagasikara. Tamin’izany fotoana, voalaza fa nisy sivy tapitrisa ny omby, ny mponina teo amin’ny fito tapitrisa. Amin’izao fotoana, manoloana ny ataon’ny zanakolombelona 30 tapitrisa eo ho eo eto Madaga­sikara, mandalo tantara hafa ny omby. Raha tsy hilaza afa-tsy ny rafi-pampianarana eo amin’ny fiompiana.

Ankehitriny, tsy misy tarehimarika mazava, azo antoka nefa fa kely ny isan’ny omby manoloana ny isan’ny mponina efa ho telopolo tapitrisa, tsy mitsahatra latsaka ambany koa ny kalitao amin’ny habeny sy ny lanjany, noho ny tsy fahampian-tsakafo sy ny fitsaboana azy. Mitombo ny isan’ny olombelona nefa mihena ny fanjifana azy. Amin’ny lafiny iray, avy amin’ny vidiny tsy takatry ny olona maro, fa azo lazaina koa fa kely sisa ny omby eto amin’ny Nosy. Voalaza nefa fa misy eo amin’ny 1300-1500 isan’andro eo ny omby maty amidy manerana ny tsena anatiny. Antananarivo irery, misy 400 isan’andro. Ho an’ny omby, tsy misy lamina mipetraka mazava ka mety ho avy ny fotoana tsy fisiany intsony. Ny sasany indray milaza fa manomboka ity taona ity, mitombo ny Malagasy tsy ma­hatakatra mividy henan’omby intsony.

Voarara ny fanondranana omby

Fepetra noraisin’ny fanjakana tamin’ny 2019 ny fandrarana ny fanondranana omby velona any ivelany, marina fa nampitombo ny omby tamin’ny fotoana sasany izany, saingy naverina indray ny fanondranana henan’omby tamin’ny septambra 2022. Niakatra rahateo ny fanjifana maneran-tany, indrindra ny any Chine sy ireo firenena arabo ary ireo Nosy aty amin’ny ranomasimbe In­dianina. Marihina fa misy ny orinasa Bovima (Bonne Viande de Madagascar) any Taolagnaro, teraka tamin’ny taona 2013, tohanan’ny So­ciété financière internationale (IFC) avy amin’ny Banky iraisam-pirenena. Orinasa atao hanondrana henan’omby tsa­ra kalitao avy aty Madaga­sikara sy hanatavezana, ha­na­tsarana koa ny taranak’omby.
53 tapitrisa dolara no nentin’ny Banky iraisam-pirenena namelona ny sehatra. Izany dia momba ny fanavaozana ny fotodrafitrasa samihafa. Izay fanavaozana izay no nahafahana nanome fanamarinana vitan’ny veterinera, ankatoavina maneran-tany sy manokatra lalam-baovao ho an’ny fanondranana.

Mihavitsy ny omby
Nandritra ny fivoriana nataon’ireo mpandraharahan’ny omby eto Madagasikara, maro ny zavatra nodinihina. Anisan’izany ny fanatsaranana ny fanaraha-maso amin’ny alalan’ny LITS na Livestock Identification and Traceability System. Fomba taloha fanaraha-maso sy fanisana omby, mitaky fomba vaovao izany ary manamora ny varotra eto an-toerana sy any ivelany. Nambaran’ireo manam-pahaizana fa tsy maintsy mila ovaina ny sehatry ny omby, zatra amin’ny fiompiana nentim-paharazana mandalo amin’ny fiompiana “mamokatra sy varotra miaro ny tontolo iainana”, indrindra any amin’ireo faritra be omby. Marihina fa tsy vitsy amin’ny hena eto an-drenivohitra no avy amin’ny omby halatra ka mila fiovana ny fihariana hafa ny sehatry ny omby.
Tato anatin’ny 10 taona farany, nanjaka ny asan-dahalo sy halatra omby. Afoina hatramin’ny ain’olona maro, heno saika hatraiza hatraiza. Fantatra izany hoe tokony hataon’ny fanjakana amin’ny fiarovana ny olona sy ny fananany izany, dinam-pokonolona isan-karazany fa tsy mbola mahasakana amin’ny asan-dahalo izany.
Mihavitsy ny omby eto Madagasikara, toa tsy misy intsony ny omby hangalarina. Raha taloha, nisy aman-jatony ny omby tonga eo amin’ireo tsena goavana isan-kerinandro, tsy izay intsony ny zava-misy amin’izao fotoana.

Ireo tsenan’omby lehibe

Any Ambalavao no ahitana tsenan’omby goavana indrindra eto amin’ny Nosy. Ambalavao itoeran’ny mponina 35 000 eo ho eo, amin’ny RN7, tanàna kely atsimon’i Fianarantsoa. Somebiseby ny olona rehefa ho any Ambalavao, indrindra rehefa talata, handeha hamonjy tsenan’omby ny alarobia. Ambalavao misy sokajin’olona samy mitondra ny andian’ombiny. Jerena antsipiriany ireo omby sy ny bokiny mahakasika azy raha vita vaksiny ara-dalàna, fiaviany, sns. Izay vao raikitra ny ady varotra, tena mavaivay mihitsy … Vovoka mena mameno ny tsena efa misy 2 ha. Azo ambara fa vola madio sy vola maloto, samy hita ao Ambalavao, ahitana tompon’andraikitra samihafa.
Any Tsiroanomandidy sy Miandrivazo ny manaraka. Mitovitovy ny fandehan’ny varotra. Samy ahitana an-jatony isan-kerinandro ireo toerana ireo taloha fa tsy izao intsony. Andrin’ny toekarena eto amin’ny firenena ny tsenan’omby, izay tombanana aman-tapitrisany Ariary maro ny vidin’omby iray, mifandraika hatrany amin’ny fisondrotry ny vidim-piainana. Mbola misy tsena hafa any Atsimo: Ankilimalinika, Ankililoaka, Ivohitra akaikin’Antsirabe sy ireo maro hafa. Ahitana vola madio sy vola maloto daholo. Ao Tsiroanomandidy, ohatra, lafo ny bokin’omby ka lasa miteraka kolikoly samihafa. Ambanin-javatra loatra ny sehatry ny omby eto Madagasikara, ny fiompiana amin’ny ankapobeny, nefa eo ny minisiteran’ny Fiompiana efa nosarahina tamin’ny Fambolena atao isahana izany ady amin’ny halatra omby izany sy ny fampitomboana ny vokatra ary ny fanatsarana azy.

Hanaovana fomban-drazana
Entina manao fomban-drazana maro samihafa ny omby, araka ny faritra sy ny foko, ohatra, ny atao ho an’ny Zanahary sy ny razana ary ny olon-dehibe, ray aman-dreny eo an-tanàna ny lohany, ny trafony, ny atiny. Ankoatra izay, zaraina amin’ireo heverina ho zandry olona, mpiandry tanàna sy valala mpiandry fasana ary ny vahiny nasaina ny hena. Fomba atao hampitambatra ny maty sy ny velona.

Nanatontosa : R. Mathieu

Partager sur: