Vosambotry ny polisy miasa ao amin’ny Kaomisarian’ny boriborintany fahavalo, etsy Analamahitsy, afakomaly atoandro, ny lehilahy iray nanaparitaka vola sandoka. Nanao petra-bola manodidina ny 240 000 Ariary tamin’ny Cash point iray teny Analamahitsy ity lehilahy ity. 20 000 Ariary maro, izay vola sandoka ny ankamaroany, fa nampiany 10 000 Ariary tena izy tany anatiny. Nahatsikaritra izany ilay tompona Cash point ka nampandre ny polisy avy hatrany. Tsy niandry ela fa nidina nanao fikarohana sy fijerena ny zava-misy izy ireo taorian’ny fitarainana voaray. Tratra teny an-toerana ilay mpanaparitaka vola sandoka. Mbola nahatrarana vola sandoka 20 000 Ariary maromaro teny aminy izay nafangarony tamin’ny vola tena izy, rehefa nosavaina. Nataony ho famitahana mpanao Cash point ireo vola sandoka ireo. Nentina avy hatrany teny amin’ny Kaomisaria izy nanokafana fanadihadiana. Hatolotra ny fampanoavana kosa ny raharaha aorian’ny famotorana. Tafiditra ao anatin’ny ady amin’ny fanaovana hosoka izao hetsika izao.
Mino




