Orinasa Bôndy : Miantraika amin’ny fiainan’ny mponina ny jiro manazava

Miitatra any amin’ny sehatra samihafa ny tetikasa «Ma Honko», ataon’ny orinasa Bôndy. Anisan’izany ny fizarana jiro manazava miisa 240 any amin’ny faritra iasany.

Mitohy ny fametrahan’ny orinasa Bôndy ireo jiro manazava ny tanàna, mandeha amin’ny herin’ny masoandro. Voakasik’izany ny faritra Melaky, Boeny, Sofia, Diana, izay tonga tany an-toerana, ny herinandro lasa teo. Tombontsoa ho an’ny vahoaka ireny fotodrafitrsa ireny, izay tsapan’ny mponina any ifotony sy ny mpitondra fanjakana. Nilaza ny lehiben’ny distrika Ambanja, Raharison Tsirini­laina, ny 18 septambra teo, fa « nisafidy ny jiro manazava ny tanàna ny orinasa Bôndy, fa tsy zavatra hafa, satria tsapany ny tena ilàn’ny vahoaka azy».
Miisa 35 ny jiro manazava azon’ny distrika Ambanja. Efa eo am-pametrahana azy ny any amin’ny kaominina Boba­sakoa (distrika Antsiranana II), Anjiabe (distrika Ambilobe), Ambaliha, Ankingameloko ary Antranokarany (samy distrika Ambanja).
Nomarihin’ny tale misahana ny vakoka ao amin’ny Bôndy, Rakotondraibe Hari­son, fa « teny filamatry ny Bôndy, ny hoe  maharitra . Voakasik’izany ny fikajiana ny tontolo iainana, ny velon-tenan’ny mponina, ary eo koa ny fotodrafitrasa jiro manazava izao ».
Ho an’ny sekretera jeneralin’ny faritra Diana, Zafimanjo, “vokatry ny fiarovana ny ala honko, izay harena voajanahary manana ny lanjany, no nahatonga izao fanomezana jiro manazava izao ».

Ala honko 617 ha narenina
Mahatratra 2 000 ny olona misitraka ny jiro manazava miisa 17 napetraka any amin’ny fokontany Mahajambakely sy Ambohipamba, kaominina Mahajamba Usine (Boeny). Manodidina ny 5 000 ny isan’ny mponina ao an-tampon-tanànan’i Mahajamba Usine. « Hanova zavatra lehibe aminay ny fisian’ny jiro manazava, satria afaka mandeha amin’ny alina izahay », hoy i Franklin, mponina any Tsinjoarivo. « Ilainay ny jiro satria nanjaka ny asan-jiolahy sy ny vaky trano », hoy kosa i Benoit, lefitry ny ben’ny Tanàna Belobaka.
Marihina fa mahatratra 617 ha ny velarana honko narenina any Diana. Maha­tratra 1 600 ny mpamboly miara-miasa amin’ny Bôndy. Hanampy amin’ny fanaovana karapanondro any Ambanja, ny Bôndy, ary indrindra ny fanatsarana ny velon-tenan’ny mponina.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: