Ambatolahy – Ihorombe : Tantsaha miisa 10 niofana

Nifantoka tamin’ny fanabeazana sy fanohanana ny tantsaha amin’ny sehatry ny fiompiana trondro ny hetsika notanterahin’ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga (MPEB) tao amin’ny kaominina Ambatolahy, distrikan’i Ihosy. Tantsaha miisa folo, avy ao Menalafika, no niofana, hetsika nokarakarain’ny ekipan’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny toekarena manga (DRPEB Ihorombe).
Nampianarina azy ireo ny teknika samihafa amin’ny fiompiana trondro, toy ny fanamboarana dobo sy ny fiompiana an-tanimbary. Teo koa ny fanamboarana sy fanomezana sakafon-trondro, mba tsy hiteraka fatiantoka sy hahazoana vokatra tsara kokoa. Nisy koa ny fampiharana mivantana teny an-kianja izay nanamafisana ny fahalalana norantovina.
Ity hetsika ity dia anisan’ny paikady entin’ny minisitera manamafy ny sehatry ny fiompiana trondro, izay manana anjara toerana lehibe amin’ny fanatsarana ny fiveloman’ny tantsaha sy ny toekarena eny ifotony.

Fitia Randria

Partager sur: