Namoaka fanambarana ny Vondrona orinasa eto Madagasikara (Gem). Voalaza, fa manaraka akaiky ny toe-draharaha ity vondrona ity, manoloana ny fandrobana sy fitotongan’ny orinasa marobe, nitranga nanomboka ny 25 septambra teo iny, izay mbola mitohy hatramin’izao. Melohin’ny Gem marin-drano ireny fandrobana ny fananan’ny mpandraharaha ara-toekarena ireny, sady manaratsy endrika ny tontolon’ny fandraharahana eto amintsika.
Ho an’ny Gem, fanoitran’ny fampandrosoana sy ny famoronan’asa ny sehatra tsy miankina. Mila manatanteraka ny seha-pihariana anaty fahatoniana, filaminana ary fahatokisana ny mpandraharaha sy ny orinasa.
Manoloana izany, mitaky fiarovan’ny fanjakana sy ny fahefana mahefa ny orinasa sy ny mpiasa ao aminy ny Vondrona Gem. Antony, mba hisian’ny antoka entina hanohizana ny fihariana ara-toekarena sady hiarovana ny asa eto Madagasikara.
Miantso ny mpisehatra tsy ankanavaka handray ny andraikitra tandrify azy tsirairay, sady hifanakalo hevitra entina hametrahana ny fandriampahalemana ara-tsosialy, izay zava-dehibe hisian’ny fampandrosoana maharitra eto Madagasikara.
« Avoahy ny marina »
Manampy ireo, namoaka fanambarana ihany koa ny Vondrona vehivavy mpandraharaha eto Madagasikara. Notsorin’izy ireo, fa « tsy nandray ny andraikiny ny fanjakana, ka nahatonga ireny fandrobana nanerana ny faritra maro teto Antananarivo ireny. Avoahy ny marina fa marary anay ny fanananay very sy simba tao anatin’ny iray mipi-maso ».
Njaka A.




