VAOVAO TAMBATRA

Diso ny vaovao novoizina fa tapaka ny tambajotra sosialy, nanomboka omaly tamin’ny 2 ora tolakandro. Namoaka fanambarana mahakasika izany ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra sy ny paositra (MDNPT), omaly. Manainga ny rehetra hanamarina hatrany ny fototry ny vaovao aparitaka amin’ny tambajotra sosialy ny minisitera.

Hankalazaina rahampitso sabotsy 27 septambra any Morondava ny Andro maneran-tany ho an’ny fizahantany. Hetsika maro no hatao, toy ny famelabelaran-kevitra momba ny fizahantany sy ny fiovana maharitra. Eo koa, ny Carnaval lehibe amin’ny fizahantany, ny tontolo iainana ary ny kolontsaina malagasy, indrindra ny faritra Menabe. Manampy ireo, ny fetibe miaraka amin’ny mpanakanto maro sy dia mirindra Zumba.

Manao antso tolotrasa (Appel manifestation d’intérêt), ny minisiteran’ny Tontolo iainana (Medd), ho an’izay liana hitantana ny valan-javaboahary ny Tangoron-tendrombohitra, Massif de Makay. Tanjona, ny hanomezana an’ity toerana ity ny satan’ny Faritra arovana manana ny lanjany eto an-toerana sy any iraisam-pirenena. Hatramin’ny 19 oktobra 2025 ny fe-potoana farany fametrahana ny antontan-taratasy any amin’ny minisitera Medd.

Partager sur: