Nisitraka fiofanana mahakasika ny fitiliana mialoha sy ny fanaraha-maso ireo singa mpanimba ny sosona ôzôna ny mpiasan’ny Fadintseranana sy ny Polisin’ny tontolo iainana (OPJE) any Mahajanga. Ny 16 hatramin’ny 18 septambra 2025 teo no nanatanterahana izany. Efa manana ny fitaovana arifomba ahafahana mitily ireo entona mpanimba ireo isika, ka anisan’ny nampitaina tamin’ireo mpiofana ireo ny fomba fampiasana azy.
Tafiditra ao anatin’ny fiofanana koa ny fomba fitiliana ny entona hafa, toy ny R 22 (karazana singa simika HCFC), izay efa tsy azo ampiasaina intsony. Tena ahitana ity singa ity ny vata fampangatsiahana sy ny fitaovana fampangatsiahana, toy ny « climatiseurs », ohatra. Efa fenitra sy fepetra maneran-tany ny fanafoanana ny fampiasana ny R 22, nanomboka ny janoary 2015. Tsy azo atao intsony koa ny fivarotana azy.
Nikarakara ny fampiofanana, tany Mahajanga, ny Birao nasionaly ozôna (BNO).
Njaka A.




