Filaharambe no hita eny amin’ny fakam-bola Gab, manerana ny Renivohitra. Fotoana fivoahan’ny karama ho an’ireo mandray izany isam-bolana rahateo izao, indrindra ny mpiasam-panjakana. Sarotra ihany koa, nifampitadiavana, ny solika teny amin’ny mpaninjara. Miantraika any amin’ny fanjifana avy hatrany anefa izany, hitarika ho any amin’ny varo-mazina sy ny risoriso.
Mikatso tanteraka ny fidiram-bolan’ny mpandraharaha madinika, noho ny zava-misy ankehitriny. Tsy mbola afaka miverina manohy ny fihariany andavanandro izy ireo, toy ny mpitatitra, ny mpivarotra, ny mpiasa tena, sns. Tsy eto an-dRenivohitra ihany, fa hatrany amin’ny tanàn-dehibe maro, toy ny any Toamasina, Mahajanga, Toliara, Antsiranana. Heverina mbola hitohy izany.
Maro ny tokantrano manomboka manangona zavatra ilaina andavanandro. Miomana hitsinjovana ny ampitso no anton’izany. Na izany aza, tsy mihena ny vidin-tsakafo eny an-tsena, toy ny vary, ny anana sy legioma, ny voamaina, ny atody, sns. Misy ny milaza fa mety hisondrotra ny vidiny, raha miitatra ity krizy ity, ary hiantraika any amin’ny fidangan’ny vidim-piainana.




