Vaovao! Manara-penitra, mafy, mampihena ny fandaniana amin’ny fanorenana trano ny fampiasana ny “polymur”, vokatra vaovao ataon’ny orinasa Polytech eny Ambohimalaza. “Mahazaka tanteraka ireo loza voajanahary samihafa toy ny rivodoza, horohorontany, sns, izy satria vy avokoa ny mandrafitra ny trano sy ny rindrin-trano”, hoy ny fanazavan’ny tomponandraikitra ara-barotry ny Polytech, Ramamonjiarisoa Safidy, ny alarobia teo. Mafy sy manana akora mampiavaka azy amin’ny fanorenana mahazatra ity vokatra vaovao ity. Rakofana “béton armé” ireo vy sy “polystyrène” ampiasaina ka mahatonga azy ho mafy. Azo antoka tanteraka ny “confort”ny satria “isolant phonique et thermique” ireo akora rehetra. Izany hoe, tsy ahenoana tabataba avy any ivelany sady antonony lalandava ny hafanan’ny trano, raha ny fanazavana hatrany. Ankoatra izay, mampihena ny fandaniana amin’ny fanorenana atao ny fampiasana ny “polymur”. Manodidina ny 1 tapitrisa ka hatramin’ny 1 700 000 Ar n m2 amin’ireo vokatra, tafiditra ao anatin’izany ny kojakoja samihafa mandrafitra ny trano, izay afaka mifaninana amin’ny hafa, araka ny fanazavana. Ankilany, haingana kokoa ny asa rehetra satria efa azo ipetrahana avy hatrany ny trano efa-bolana aorian’ny fanorenana. Miaro ny tontolo iainana koa ity vokatra vaovao avy any Italie tonga eto amintsika ity, noho izy mampihena ny fampiasana biriky.
Faritra
Efa miparitaka any amin’ny faritra, indrindra any amin’ny toerana lasibatry ny rivodoza matetika, toy ny any amin’ny Nosy Boraha, ny “polymur”. “Handray an-tanana izany ny orinasa Best Immo. Ity farany izay voasokajy ho matihanina amin’ny fanorenana”, hoy ny filoha tale jeneralin’ny orinasa, Andriantsoa Nasa. Mazàna, hoy izy, vita amin’ny “béton” na “parpain” ary ireo akora misy ao an-toerana ny trano ao Nosy Boraha. Araka izany, hitondra rivo-baovao ny fanorenana ity vokatra vaovao ity.
Henintsoa




