Mampahafantatra ny besinimaro, araka ny didim-panjakana lah 2017-854, navoakan’ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga (MPEB). Voalaza fa voarara ny fanjonoana, ny fivarotana, ny fividianana, ny fitaterana karazana hazandranomasina oratsimba (langoustes), manomboka ny 1 oktobra 2025 hatramin’ny 31 desambra 2025. Voakasik’io didim-panjakana io ny faritra Diana, Sofia, Boeny, Melaky, Menabe, Atsimo Andrefana, Atsinanana, Analanjirofo ary Sava.
Manampy izany, tsy maintsy manao fanambarana ny tahiry ananany hatramin’ny 1 oktobra 2025 ny mpandraharaha misehatra amin’ity sehatra ity, ny orinasa mpanjono, ny mpanangom-bokatra, ny mpivarotra hazandrano any amin’ny fitantanam-paritry ny Jono sy ny toekarena manga, fara-fahatarany amin’ny 10 oktobra 2025.
Anisan’ny antony izao fepetra izao ny fitsinjovana ny oratsimba afaka manatody, mba hitomboan’ny taranany. Fa misy koa ny fepetra hafa mahakasika ny hazandrano hafa sy ny fe-potoana azo anjonoana sy hanaratoana any amin’ny farihy samihafa eto amintsika, toy ny any Alaotra, Ampefy, sns.
Njaka A.




