Nisokatra kely ny tranombarotra vitsy teny Behoririka sy Andravoahangy, omaly. Nambaran’izy ireo fa tena tsy misy mihitsy ny fidiram-bolan’izy ireo nefa ny fandaniana isan’andro tsy maintsy aloa. Anisan’izany ny hofan-trano amin’ny toerana ivarotana, ny karaman’ny mpiasa, ny filana andavanandro ao an-tokantrano ho an’ny fianakaviana, sns. Nikatona indray izy ireo ny tolakandro noho ny toe-draharaha tsy mbola milamina.
Mikatso ny fitaterana amin’ny ankapobeny, indrindra ny taxi-be eto an-dRenivohitra sy ny manodidina. Antony, mikorontana tanteraka ny fifamoivoizana noho ny toe-draharaha. Tsy maintsy mandoa vola (versement) any amin’ny tompon’ny fiara anefa satria nanomboka ny alakamisy 25 septambra no nitotongana ny fidiram-bolan’izy ireo.
Manohy ny fampandehanan-draharaha ny minisitera samihafa mandra-pananganana ny governemanta vaovao. Tsy maintsy atao izany satria tsy maintsy mitohy ny fiainam-pirenena, indrindra ny lafiny toekarena. Etsy ankilany, nilaza ny filoham-pirenena fa hotohanana ireo orinasa sy mpandraharaha voaroba. Haloan’ny fanjakana ny zanabola indramin’ny mpandraharaha any amin’ny banky.




