Fotoana fikarakarana ny fanetsana ny varialoha izao. Eo koa ny fambolena legioma sy anana izay ilana rano daholo.
Nirotsaka ny orana voalohany teto Antananarivo sy ny manodidina, omaly. Nanomboka ny fiafaran’ny tolakandro, ary nitohy ny alina, nahitana kotroka sy tselatra. Azo lazaina fa betsaka ny rotsakorana, satria efa naharitra ihany ny nisian’ ny hafanana, raha ny teto Antananarivo sy ny manodidina. Nahafaly ny tantsaha sy ny mpamboly tokoa iny rotsakorana iny, satria nahafahana nanomboka ny fambolena ny varialoha amin’izao taom-pambolena 2025-2026 izao. Fotoana fikarakarana ny taninketsa sy fanombohana ny mamindra azy eny amin’ny tanimbary izao.
Fanaovana voly avotra, eny an-tanimbary ihany koa, ho an’ny hafa. Toy ny fambolena legioma sy anana, tsaramaso, laisoa, ovy, sns. Mila rano betsaka ireny satria tsy maintsy tondraharana isan’ andro. Amin’ny fiandohan’ny taona ho avy 2026 kosa ny fanomanana ny vary vakiambiaty. Izany hoe, miandry ny tena fotoam-pahavaratra, tena firotsahan’ny orana.
Ratsy ny taom-pambolena 2024
Raha tsiahivina ny tamin’ ny herintaona, tsy ampy ny rotsakorana ary tena sahirana ny nanombohana sy niatrehana ny taom-pambolena 2024-2025. Ny faran’ny taona sy ny fiandohan’ny taona 2025 no tena maina ny tany, raha ny taty afovoantany. Nisy ireo efa nanomboka nanetsa ny desambra na janoary 2025, saingy maty satria tsy nisy mihitsy ny orana. Ny tapaky ny volana febroary sy ny marsa vao tonga tsikelikely ny rano satria nisy ny orana nentin’ny rivodoza.
Endriky ny fiovan’ny toetr’ andro daholo ny haintany, ny tsy fahampian’ny rotsakorana, ny tondradrano rehefa misy rivodoza. Indrindra izao fihemoran’ny tetiandro fambolena izao. Tsy ny aty afovoantany ihany fa manerana ny faritra rehetra eto amintsika izao fiovan’ny toetr’andro izao.
Njaka Andriantefiarinesy




