Niverina ny delestazy nanomboka omaly. Sady vao mainka nihamafy satria naharitra adiny telo hatramin’ny adiny 4. Nilaza ny teknisianin’ny Jirama fa nifanojo tamin’ilay rotsakorana ihany koa, ka nisy ny milina simba, toy ny zana-toby (sous-station) teny Antanandrano, izay mamatsy ny faritr’Ambohitrarahaba, Analamahitsy, Amboditsiry, sns. Efa madiva maraina vao niverina tamin’ny laoniny ny herinaratra tamin’ireo faritra ireo.
Tafidina hatrany amin’ny 1 500 Ar ny kilaon’ ny tongolobe, raha ny eny amin’ny tsenan’Andravoahangy. Efa tafakatra hatrany amin’ny 8 000 Ar/kg anefa izany tamin’ny taona 2024. Mora ihany koa ny vidin’ny atody, ankehitriny, manodidina ny 500 Ar hatramin’ny 700 Ar ny iray, arakaraka ny habeny. Tsy afaka mampiakatra ny vidiny ny mpivarotra satria tena vitsy ny mpividy, raha ny nambaran’izy ireo.
Entanina amin’ny ady amin’ny doro tanety sy ny doro ala ny kaominina Anjoma Ankona, distrika Manandriana. Ny herinandro lasa teo no nanatanterahana izany, nataon’ny fitantanam-paritry ny Tontolo iainana (Dredd) Amoron’i Mania. Nifanindry an-dalana tamin’izany koa ny fanamarihana ny Herinandron’ny Vondron’olona ifotony, nanentanana ny VOI Maitsovolo any Faliarivo Anjoma Ankona.




