Tsenan’Analakely : Nahitana fisondrotana avokoa ny vidin’ny voamaina

Amin’izao vanim-potoana sarotra lalovan’ny firenena izao, niezaka nanao fanadihadiana teny amin’ ireo mpivarotra eny Analakely izahay. Fantatra taorian’izay fa niakatra ny vidin’ ny voamaina.

«Sarotra!» Ao anatin’izao fotoanan’ny tolona izao, miharihary ny tsy fahampiana sy ny fiakaran’ny vidiny eo amin’ny entana eny an-tsena, indrindra fa ireo vokatra fototra ilain’ ny tokantrano andavanandro. Tsy vitan’ny hoe mihena ny vokatra, fa mbola tsy misy tsena mivantana ihany koa noho ny fahasahiranana amin’ ny fitaterana sy ny fihenan’ny mpividy, indrindra eny anivon’ ireo tsena eny Analakely.
Araka ny fanadihadiana natao, omaly, teny an-toe­rana, nilaza ireo mpivarotra fa niakatra ho 3 000 Ariary ny kilaon’ny katsaka, amin’izao fotoana izao, raha toa ka 2 000 Ariary izany teo aloha. 900 Ariary ny kapoaka an’izany, raha ny fanazavan’izy ireo. «Niakatra be ilay katsaka, tena sady nihena ny vokatra no lasa sarotra ny mandafo azy. Marihina, teo aloha kelin’ io grevy misy amin’izao fotoana izao io, no niakaran’izany », hoy ny mpivarotra iray etsy Analakely.
Eo amin’ny voamaina in­dray, 7 000 Ar ny kilaon’ny tsa­ramaso maina ankehitriny, izany hoe, 2 000 Ar ny anji­fana ny iray kapoaka amin’ izany.
Tahaka izany koa ny fahalafosan’ny vokatra hafa, toy ny tsiasisa, izay jifaina amin’ny
1 500 Ar, mitovy vidy amin’ny kabaro sy ny votsiroka. Anko­atra izany, tsy ampy intsony ny tahiry.
Misy ihany ireo mpivarotra mbola miezaka mitazona vi­diny amin’ny 6 000 Ar ny kilao amin’itony fivarotana tsara­maso itony, saingy tsy dia ahitana firy intsony.
«Ny mahatonga ny kilaon’ ny tsaramaso maina somary lafo, 7 000 Ariary, izahay mi­tsimpona sy manavaka tsara ilay tsaramaso », nambaran’ ity mpivarotra ity hatrany.

Tsy mandeha ny tsena

Mitaraina amin’ny tsy fandehanan’ny tsena eo Ana­lakely ireo mpivarotra eny an-toerana. Raha ny fanazavana nataon’izy ireo, lasa mihena ny fotoana ahafahan’izy ireo mivarotra, ary hita ho mana­raka izany koa ny olona mandeha eny amin’ity toerana ity, noho ny tahotra sy ny horo­horo ateraky ny savorovoro misy amin’izao.
« Tena tsy misy mandeha mihitsy ny tsena ety, amin’ izao, fa zara raha mahita olona ianao. Matahotra an’ilay grevy avokoa ny olona eto an-drenivohitra. Ireo kely izay mba azo sisa no hivelomana ankehi­triny », hoy hatrany ity mpisehatra amin’ny resaka voa­maina sy hanin-kotrana etsy Anala­kely ity.

Tsaramaso: Sakafo tsotra, fahasalamana be

Ny tsaramaso dia anisan’ ny sakafo fototra mora hita eny an-tsena, kanefa tena manan-danja lehibe ho an’ny fahasalamana. Tsy zoviana amin’ny Malagasy ny tsaramaso maina, satria sakafo malaza eny anivon’ny tokantrano maro izy io. Voalohany indrindra, manan-karena proteinina izy ka azo asolo hena ho an’ireo tsy mihinana na maniry hampihena izany. Ankoatra izany, be fibra ny tsaramaso ka manampy amin’ ny fandevonan-kanina, miso­roka ny fitohanana ary mam­pihena ny kolesterola. Misy ihany koa ao anatiny ny vitamina B sy ny mineral, toy ny vy, magnésium ary potasioma, izay ilaina amin’ny fiasan’ny ra sy ny hozatra. Ho an’ny vehivavy bevohoka, zava-dehibe ny tsaramaso satria misy fo­late izay manampy amin’ny fitomboan’ny zaza ao an-kibo. Ny tombony lehibe hafa dia ny fahafahany mampihena ny loza ateraky ny aretin’ny fo sy manampy amin’ny fanaraha-maso ny siramamy ao anaty ra, noho ny index glycémique ambany ananany. Etsy andaniny, ny tsaramaso dia sakafo maharitra sy mampahary hery, ka tsara hohanina amin’ ny sakafo andavanandro. Raha raisina amin’ny mahamora vidy azy, azo lazaina ha sakafo tsotra nefa manome fahasalamana lehibe ho an’ny olona rehetra io vokatra io.
Na izany aza, tsy azo hohanina isan’andro ihany izy ireny, fa mety iteraka olana amin’ny fandevonan-kanina sy ny vavonyraha diso be­tsaka loatra.

Nanatontosa : Fitia Randria

Partager sur: