RN6 : Harenina ny tetezana Mahavavy

Mandroso araka ny tokony ho izy ny asa fanarenana ny tetezana Mahavavy, any amin’ny lalam-pirenena faha-6, eo amin’ny PK 568+720. Anisan’ny asa lehibe atao ny fametrahana tetezamby (pont modulaire), hamahana ny olan’ny fifamoivoizana sy ny fivezivezena any an-toerana. Efa vita ny andry (pile), hitaty ny tampon’ny tetezamby. Napetraka ny alatsinainy teo ny kojakoja miaro (chevêtre sur culée). Nanomboka omaly ny asa fanotofana tany idirana eo amin’ny tetezana.
Misy tsy tapaka ny fanaraha-maso ataon’ny minisiteran’ny Asa vaventy, sady manombana ny fivoaran’ny asa ataon’ny orinasa Colas. Hita fa voahaja ny fandaharam-potoana napetraka, hanatanterahana ny asa. Mamatsy vola izany ny Banky eoropeanina ho an’ny fampiasam-bola (BEI). Tsiahivina fa simban’ny rivodoza tamin’ny taona 2024 ny tetezana any Mahavavy sy Ifasy.
Mitohy ihany koa ny asa fanarenana ny RN6, miainga eo Ambondromamy hatrany Ambanja. Anisan’ny tena atao ny fanamboarana ny ampahany tena ratsy, mba tsy hahatapaka ny fifamoivoizana.

Njaka A .

Partager sur: