Fanavaozana ny lalam-paritra : Mandroso ny asa any Fenoarivo Atsinanana sy Vohilengo

«Mandeha ny asa!» Araka ny vaovao navoakan’ny eo anivon’ny minisiteran’ny Asa vaventy, (MTP), omaly, mandroso tsikelikely ny asa fikojakojana amin’ny lalam-paritra RP13A (RR ALJ-01), izay mampitohy an’i Fenoarivo Atsinanana (pk 0+000) sy Vohilengo (pk 23+000). Ny orinasa Pro Béton no tomponandraikitra amin’ny fanatanterahana izany. Amin’izao fotoana, ny “reprofilage”, izany hoe fanitsiana sy fandravonana ny endriky ny làlana mba hampilamina azy sy hanomanana amin’ny dingana manaraka no efa mandeha. Ao anatin’ny drafitra koa ny fanamboarana ireo lavaka sy sakana niseho noho ny toetr’andro ratsy, ny famenoana sy famafazana vato hanamafisana ny fototra ary ny fametrahana fitaovana hanatsarana ny fandehanan’ny rano rehefa misy orana, mba hisorohana ny fahapotehana haingana.
Manan-danja lehibe ho an’ny faritra ity fanavaozana ity satria ny RP13A dia mampitohy toeram-pamokarana maro amin’ny tsena sy ny foibe ara-barotra. Rehefa vita ny asa any an-toerana, antenaina fa hisy fiantraikany tsara eo amin’ny fiainam-bahoaka, indrindra amin’ny fidiram-bo­lan’ny tantsaha sy ny mpivarotra, izany. Hanamaivana ihany koa ny fivezivezen’ny olona andavanandro eo amin’ny distrikan’i Fenoarivo Atsinanana sy ny manodidina.

F.R

Partager sur: