Tsy mitsaha-mitotongana ny vidin-tsolika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Anisan’ny mahatonga izany ny hamaroan’ny vokatra eo amin’ny tsena, nefa kely ny tinady na ny mpanjifa.
Tafidina amin’ny vidiny ambany indrindra ny solika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, nanomboka ny volana mey 2025. Omaly, tafidina 64,90 dolara ny salam-bidin’ny iray barila (=159 litatra) teo amin’ny tsena iraisam-pirenena. 64,11 dolara/b ny vidiny eo amin’ny tsena Brent any Eoropa avaratra, raha 60,48 dolara/b any Etazonia, amin’ny tsena West Texas.
Anisan’ny antony mahatonga io vidiny ambany io ny fiandrasan’ny mpanafatra solika ny Vondrona mpamokatra solika Opep, hampitombo ny solika vokariny. Faninefany izao fitotongan’ny vidin-tsolika iraisam-pirenena izao. Hivory ampitain-davitra, amin’ny alahady 5 oktobra ho avy izao, ny firenena mpamokatra, ahitana an’Arabia Saodita, Rosia, miampy ireo firenena enina ao anatin’ny Opep. Anisan’ny tena hifampidinihana amin’ io ny hampiakarana ny fetran-tsolika azo vokarina ho 137 000 barila, isan’andro, manomboka amin’ny volana novambra 2025. Misy koa anefa ny loharanom-baovao fa mety ho tafakatra hatrany amin’ny 500 000 barila isan’andro io fetrisa io. Nitsipaka marindrano izany anefa ny Opep, araka ny fampahalalana navoakany tao amin’ny tambajotra X, ny talata 30 septambra teo.
Tokony hidina
Efa mihatra eto Madagasikara ny tena vidin-tsolika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Na izany aza, tsy mahazo mihoatra na latsaky ny 200 Ar ny fiovana isam-bolana. Tsy niova anefa ny vidin-tsolika tamin’ity volana oktobra ity. Raha mitohy ny fitotongany eo amin’ny vidiny iraisam-pirenena, azo antoka hidina foana ny eto amintsika. Vidiny roa volana mialoha no ampiharina satria io no fotoana nividianana azy tany amin’ny mpanafatra. Izany hoe, vidiny teo amin’ ny tsena iraisam-pirenena tamin’ny volana jolay no nampiharina amin’izao volana oktobra izao.
Njaka Andriantefiarinesy




