Toe-draharaha sarotra : Ahena ny fomba fiasa eny amin’ny Fadintseranana malagasy

Manohy ny asany ny sampandraharahan’ny fadintseranana na eo aza ny toe-draharaha eto amin’ny firenena. Misy koa ny fandaminana manokana, sady hikarakarana ireo manan-draharaha aminy.

Mandray fepetra ny fi­tan­tanana foibe ny Fadin­tseranana malagasy, mba hampandeha araka ny tokony ho izy ny fomba fiasa. Napetraka ny dingana « Pro­cédure Downgrade » mano­kana, izany hoe, ahena kely ny hafainganam-pandeha amin’ ny fomba fiasa ho an’ny birao na sampandraharaha nosafidiana. Noraisina io fepetra io ahafahana manohy ny asa andavanandro sady fiarovana ny mpiasan’ny Fadintsera­nana amin’izao fotoan-tsarotra sy tsy marin-toerana eto amin’ny firenena izao. Am­piharina isan’andro arakaraka ny fa­nombanana ny ambana sy ny zava-misy iainan’ny birao sy ny sampandraharaha ma­ne­rana ny Nosy ity fepetra ity.

Manatanteraka fomba fiasa « Downgrade » ny birao sy ny sampandraharaha, mi-fantoka amin’ireo asa tena
ilaina sy tsy maintsy tohanana amin’ny toe-draharaha manokana. Manohy ny asa andavanandro toy ny mahazatra kosa ireo birao tsy tafiditra ao ana­tin’izany.

Manamafy ny fitantanana foibe ny Ladoany, fa napetraka ity lamin’asa ity mba hahafahana manohy ny asam-panjakana sy mamaly tsy tapaka ny hetahetan’ny manan-draha­raha rehetra amin’ny Fadin­tse­ranana. Anisan’izany, ny olon-tsotra, ny mpandraha­raha, ny orinasa, sns. Ahafa­hana ihany koa, mametraka ny fitandremana ilaina manoloana ny loza sy ny ambana mety hitranga. Notsipihin’ny mpitantana ny Ladoany Mala­gasy fa tsy maintsy atao ny fomba rehetra amin’ny fanatanterahana ny adidiny hitadiavana ny marimaritra irai­sana eo amin’ny fahombiazan’ ny asa. Eo koa, ny fiarovana ny mpiasa ary indrindra ny fanamorana ny fifanakalozana ara-barotra ho tombontsoan’ ny toekarem-pirenena.
Mitokona mandritra ny 3 andro
Tsiahivina fa mitokona manomboka androany, mandritra ny telo andro, ny mpikambana ao anatin’ny Sendi­kan’ny mpiasan’ny Ladoany (Sempidou), manoloana ny toe-draharaha eto amin’ny firenena. Misy kosa anefa ny asa farafahakeliny atao.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: