Lalana RN4: Fanamboarana « radier » ao Maevatanàna

Anisan’ny asa lehibe atao amin’ny fanarenana ny lalam-pirenena faha-4 ny fanamboarana vahilava vita amin’ny « béton », antsoina hoe « radier ». Anisan’izany ny ao Anta­nambao, Maevatanàna, eo amin’ny PK315+400. Manaraka ny fandaharam-potoana napetraka ny fizotry ny asa. Vita hatrany amin’ny 90% ny asa fandrotsahana ny simenitra, fasika, vatokely (béton) anaty rafi-by. Asa atao koa ny fandavahana ny rindrina fanohanana amin’ny sisiny atsimo. Tombanana ho vita amin’ity herinandro ity ny famaritana ny fametrahana ny tsikalakalam-by sy ny fandrotsahana ny vatokely, fasika ary simenitra azy.
Tena ilaina amin’ny faritra ahitana tany malemy na loha­saha ny fanorenana ny vahilava « radier », toy ity any Mae­vatanàna ity. Amin’ny lafiny teknika, entina, anaparitahana mitovy ny lanjan’ny fiara mavesatra mandalo mba tsy ho mora rendrika na mihotsaka ny lalana.
Tafiditra ao anatin’ny tetikasa CERC PCMCI, tohanan’ny Banky Iraisam-pirenena ity asa fanorenana atao ity, anisan’ny asa hanarenana ny lalam-pirenena faha-4.

Njaka A.

Partager sur: