VAOVAO TAMBATRA

Nisokatra ny magazay na tranombarotra sasany, omaly maraina. Nambaran’ireo mpivarotra, fa tsy maintsy manararaotra mivoha izy ireo ny maraina, mialoha ny fihetsiketsehana. Satria, tsy maintsy mampidi-bola. Ho azy ireo, tsy fantany mihitsy ny ho tohin’ ny toe-draharaha ka aleo hatao ny fomba samihafa hampandehanana ny fihariana. Tsy mbola nisokatra kosa ny magazay sasany eny Behoririka sy Analakely.

Mizotra toy ny andavanandro ny tsena eto an-dRenivohitra, toy ny eny Andravoahangy, Ano­sibe, sy ireo fokontany maro hafa. Tsy nisy kosa ny tsena isaky ny Alakamisy, eny Mahamasina, noho ny tahotra amin’ny mpanao fihetsiketsehana. Tsy miova ihany koa ny vidin-tsakafo, toy ny legioma sy ny anana, sady ao anatin’ny fahamorany izao, mialoha ny fiavin’ny orana.

Manomboka ny vanim-potoana fizahantany an-tsambo vaventy (croisière). Nisantatra izany ny fahatongavan’ny sambo vaventy niantsona tany Baly Soalala, ny 23 septambra teo. Tombontsoa lehibe amin’ ny fizahantany an-tsambo ny fisian’ny mpizahatany aman-jatony indray miaraka, sady mitety toerana maro ka afaka manjifa ny vokatra isan-toerana.

Partager sur: