Mandeha ny fitaterana ireo milina mamokatra herinaratra ho an’ny toby vaovao eny Ambohimanambola. Haharitra fotoana maro ny fandaminana hitaterana azy ireo.
Hanomboka anio ny fitaterana manokana, miainga avy any Toamasina, mankaty Antananarivo, ny milina mpamokatra herinaratra hapetraka eny Ambohimanambola, ao anatin’ny tetikasa 105 MW. Haharitra telo andro ny fitaterana amin’ity ampahany voalohany ity, ka misy ny fandaminana ny fifamoivoizana amin’ny lalam-pirenena RN2. Voalohany, anio talata 7 oktobra, miainga any Toamasina hatreo Brickaville, amin’ny 5 ora maraina hatramin’ny 6 ora hariva. Faharoa, ny alarobia 8 oktobra, miainga eo Brickaville, hatreo Moramanga, amin’ny 5 ora maraina hatramin’ny 6 ora hariva. Fahatelo, ny eo Moramanga hatraty Antananarivo, amin’ny 5 ora maraina hatramin’ny 6 ora hariva.
Noraisina ny fepetra manokana hifehezana ny fifamoivoizana entina hanomezana lalana ireo fiarabe maromaro mitatitra ny milina. Misy ny fiara mpanokatra sy mpamarana ny dian’ny vondron’ny fiara vaventy, ahitana famantarana manokana. Mandrindra sy mandamina ny fizotran’ireo fiara vaventy ireo ny manampahefana mitandro filaminana. Mila arahina ny toromarika sy ny lamina omen’ny tomponandraikitra isaky ny toerana lalovana.
Miato ny dian’ireo vondron’ny fiara vaventy, mandritra ny alina, eo anelanelan’ny amin’ny 6 ora hariva hatramin’ny 5 ora maraina. Hampahafantarina ny besinimaro ihany koa ny fepetra sy ny fotoana ho an’ny andiany manaraka.
Hamahana ny delestazy
Efa tamin’ny taona 2023 no tao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ireo milina hampandehanana ny toby mamokatra herinaratra 105 MW eny Ambohimanambola ireo. Nanahirana anefa ny hitaterana azy ho aty Antananarivo, satria mahatratra hatrany amin’ny 70 taonina ny lanjan’ny milina iray. Tsy mahazaka afa-tsy 40 taonina ny tetezana miisa 13 amin’ny lalam-pirenena voalaza io, izay voatery nohamafisina. Tokony ho anisan’ny hamahana ny delestazy ity toby eny Ambohimanambola ity, manampy ny famokarana herinaratra avy amin’ny masoandro.
Njaka Andriantefiarinesy




