china mall: Manodidina ny 200 miliara Ar ny faharavana

Anisan’ny noraisin’ny filoha Rajoelina, ny sabotsy 4 oktobra teo, ny vondrona mpandraharaha sy ny solontenan’ny sehatra tsy miankina rava fananana, ny 25 septambra. Niarahana nikaroka ny vahaolana hanarenana ny simba, indrindra ny toekarena malagasy amin’ny ankapobeny. Nohamafisin’ny filoham-pirenena ny fahavononany hiara-kiasa sy hanampy ireo mpandraharaha niharan’ny fandrobana. Noresahina koa ny hametrahana tontolo toekarena mirindra sy azo antoka, hisarihana ny mpampiasa vola eto Madagasikara.
Etsy ankilany, anisan’ny rava tanteraka ny tranombarotra etsy Ankazomanga, ahitana tranombarotra amam-polony. Tombanana hatrany amin’ny 200 miliara Ar ny tentim-bidin’ny entana simba ary asa an’arivony no very.
Tsy mbola fantatra mihitsy na ho tafaverina amin’ny laoniny na tsia ny tranombarotra sy ireo magazay madinika ao anatiny. Toraka izany koa ny eny amin’ny Tana Water Front Ambodivona sy ny toerana maro hafa.

Njaka A.

Partager sur: