VAOVAO TAMBATRA

Mikatona ny fotoam-panjonoana any Atsimo Atsinanana, manomboka ny 15 oktobra ho avy izao hatramin’ny 15 novambra 2025. Voarara tanteraka, mandritra io fe-potoana io, ny fanjonoana, ny fividianana, ny fitaterana, ny fanondranana any ivelany ao amin’ny Faritra. Omena fe-potoana hatramin’ny 14 oktobra ny mpanangom-bokatra, ny orinasa, ny mpivarotra hazandrano, hanambara ny tahiry any am-pelatanany.

Niverina tsikelikely tamin’ny laoniny ny fiainana andavanandro teto an-dRenivohitra, omaly maraina. Nikatona daholo indray anefa ny toeram-pivarotana, ny tolakandro, teny amin’ny faritra Ambohijatovo sy Anosy, satria mbola nisy ny fihetsiketsehana. Sahirana koa ny fitateram-bahoaka noho ny fahamaroan’ny lalana tapaka, indrindra ny miditra an’Analakely sy ny manodidina.

Mahatratra 640 ha ny velarantany ho voatondraky ny tohodrano haorina any amin’ny kaominina Beapombo II, distrika Betroka, faritra Anosy. Mandroso ny asa ary efa eo am-pamitana azy ny orinasa manatontosa izany. Mahatratra 1 432 ny mponina sy ny tantsaha hisitraka ity fotodrafitrasa lehibe ity, ahafahana mampiakatra ny vokatra, hanatrarana ny tanjon’ny fahavitan-tena ara-tsakafo.

Partager sur: