Seranan-tsambo: Efa antitra ny fotodrafitrasa maro

Madagasikara, Nosy lehibe aty amin’ny ra­nomasimbe India­nina, anisan’ny manana seranan-tsambo maro­maro manodidina azy, antoky ny toekarena. Seranan-tsam­bo lehibe indrindra ny ao Toamasina, hifanakalozana ara-barotra hatrany amin’ny 80%, falehan’ireo sambo vahiny eto an-toerana. Faharoa lehibe ny any Taolagnaro, Ehoala, vao tamin’ny 2009. Ny any Antsi­ranana, Mahajanga, Toliara, sokajiana ho seranan-tsambo fanampiny. Misahana ny seranana ankapobeny kosa ny APMF (Agence portuaire maritime et fluviale).

Ny fanadihadiana nentin’ny Artelia, miandraikitra manokana ny seranan-tsambo manerana izao tontolo izao (fotodrafitrasa, sampandraharaha, fifandraisana, tontolo iainana….) mahita fa mila ampitomboina ny fotodrafitrasa eto Madagasi­kara, itadiavana izay tena ilaina. Betsaka sady samihafa ny azon’ireo seranana ireo atao, ary volavolaina izay mety ho endriky ny fampandrosoana azo avy amin’izany.
Anatin’ny ranomasimbe Indianina no misy ny Nosy malagasy, ranomasimbe itoeran’ny harena voajanahary maro isan-karazany, nefa firenena mahantra indrindra ma­neran-tany.
Ny mampandeha ny toekarem-pirenena, ny fambolena sy ny fiompiana, harena an-kibon’ny tany, fizahantany, saingy toa jerem-potsiny ny ranomasina, izay afaka mitondra harena maro, ohatra fotsiny ny jono rehefa voafehy ara-dàlana.
Ny sehatry ny varotra sy ny fitaterana an-dranomasina, azo hahazoam-bokatra raha jerena ny toerana misy an’i Madagasikara ara-jeografia, ahafahan’ny sambo vaventy mivezivezy aty amin’ny ranomasimbe Indianina.
Na azo lazaina aza fa misy seranan-tsambo maro eto Madagasikara, ny ankamaroan’ireo raha tsy izy rehetra aza dia ahitana fotodrafitrasa simba sy efa antitra avokoa, ka mitady fanarenana haingana sy fampiasam-bola betsaka. Seranan-tsambon’i Toa­masina voalaza fa voalohany eto Madagasikara, 63 ha, 370 Km miala ny Renivohitra, vao mandeha any amin’ny renivohi-paritany hafa raha misy lalana. Mahaleo tena tanteraka ny seranana eo amin’ny fitantanana azy “Société du port à gestion autonome de Toamasina” (Spat), izay ma­nana anjara toerana ao ny fanjakana.
Singa hita amin’izany se­ranana izany ny fahafahany mandray karazana sambo rehetra, ahitana fotodrafitrasa mifandraika amin’izany, afaka mampiroborobo ny lafiny indostria sy varotra. Ary ny zava-dehibe iray ny fiarovana ara-teknika ireo sambo sy ireo mpiasa ao amin’ny seranana.

Seranan-tsambon’i Ehoala, faharoa eto Madagasikara
Taolagnaro (Fort-Dauphin) no nanokafan’i Rio Tinto, tamin’ny 2009, ny seranam-tsambo Ehoala, satria filàna eo amin’ny orinasa QMM ( Qit Madagascar Minerals), orinasa mpitrandraka vato, izay fananan’ny Rio Tinto hatramin’ny 80% ary ny 20 % ambiny an’ny fanjakana malagasy, izany. Fitantanana io seranan-tsambo io, tsy miankina amin’ny fanjakana fa amin’ny Port d’Ehoala SA, sampana ao amin’i Rio Tinto. Misokatra ho tombontsoan’ny rehetra ny seranana vaovao, ho an’ny zotra eto an-toerana sy iraisam-pirenena, anatin’izany ny fadintseranana. Natao izany hanala ny olana any Atsimon’ny Nosy, noho ny fahasarotana an-tanety eo amin’ny fifamoivoizana.
Tao anatin’ny enin-taona, jolay 2009 hatramin’ny jolay 2015, nahatratra 646 ireo sambo nandalo teo ka 192 mpitondra kaontenera na enta-mavesatra ary 37 ireo sambo vaventy nitondra mpizahatany. Tamin’ny 2020, nisy 11 423 ny kaontenera nandalo tao Ehoala.

Tompom-pahefana ny APMF

An’ny fanjakana ny APMF (Agence portuaire maritime et fluviale), manana endrika ara-barotra sy indostrialy, mahaleo tena eo amin’ny fitantanana teknika sy ara-bola, ambany fiahian’ny minisiteran’ny Vola sy ny minisiteran’ny Fitaterana. Natsangana hampihatra ny lalàna ankapobeny avy amin’ny fanjakana momba ny fitaterana an-dranomasina sy ranomamy. Miandraikitra ny fandrindrana ankapobeny ny seranan-tsambo ihany koa. Araka izany, mandrindra ny politikam-panjakana eto an-toerana izy amin’ny fitantanana ny seranan-tsambo.
Noho izany, miankina aminy ny fiantohana ny fandriampahalemana eo amin’ny fitaterana an-dranomasina sy ranomamy: manome fahefana sy fampiasana ny seranan-tsambo rehetra. Manara-maso ihany koa ireo seranan-tsambo mahaleo tena amin’ny fitantanana. Manome fitsipika sy fomba fitantanana ny seranan-tsambo rehetra, toy ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana ny seranan-tsambo rehetra. Saingy, raha mijery ny zava-misy amin’ny maso tsy miangatra dia toa tsy ireo adidin’ny APMF ireo ny hita.
Mahaleo tena ara-bola anefa ny APMF ary manana tamberin’andraikitra amin’izay mampiasa ny seranana: lalàna sy haba isan-karazany.

Nanatontosa : R.Mathieu

Partager sur: