Mitohy ny asa fanarenana ny lalam-pirenena faha-13, ampahany voalohany, mampitohy an’Ambovombe sy Taolagnaro. Ho vita tanteraka tsy ho ela ity lalana ity, mirefy 114 km. Nanomboka tamin’ny taona 2023 ny asa, ary manatanteraka izany ny orinasa Colas sy ny Top international. Mitentina 235,5 tapitrisa euros ny nanatanterahana ity ampahany voalohany ity. Famatsiam-bola tsy averina avy amin’ny Vondrona eoropeanina ny 116 tapitrisa euros. Fampindramam-bola avy amin’ny Banky eoropeanina ho an’ny fampiasam-bola ny 110 tapitrisa euros. Nisy koa ny fanomezana avy any aminy, nentina hanohanana ara-teknika, 4,7 tapitrisa euros. Avy amin’ny governemanta malagasy kosa ny 4,8 tapitrisa euros ambiny.
Efa mandeha ihany koa ny asa fanarenana ny RN10, mampitohy an’Andranovory (RN7) mankany Ambovombe. Misy roa ny ampahany ambiny amin’ny RN13. Ampahany faharoa, ny mampitohy an’Ihosy sy Betroka (120 km), ary fahatelo ny eo Betroka hatrany Ambovombe (263 km). Tsy mbola feno tanteraka ny mpamatsy vola hanatanterahana ny asa, sy ny fotoana hanombohana azy ireo.
Njaka A.




