Nanomboka nivoha ny ankamaroan’ny tranomboratra etsy Behoririka, omaly. Anisan’izany ireo mpivarotra finday, kojakoja fiarakodia, lamba sy akanjo. Nambaran’izy ireo fa tsy maintsy mivarotra na tsy mbola azo antoka aza ny fandriampahalemana. Satria fidiram-bola isan’andro ny azy ireo. Eo koa ny hofan-toerana. Mitohy toy ny mahazatra kosa ny mpivarotra sakafo, toy ny anana sy ny legioma, ny hena sy hazandrano, sns.
Faritra 19 eto amin’ny Nosy no misitraka ny “Pack Riz 2025”. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa FSRP, famatsiam-bola avy amin’ny Banky iraisam-pirenena. Anisan’ny atao amin’ny tetikasa ny fizarana masomboly vary makalioka “X265” ho an’ny mpikambana anaty kaoperativan’ny tantsaha. Tanjona ny hampiakarana ny voka-bary, hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo.
Amin’izao krizy ara-politika izao, tsikaritra fa efa misy fiantraikany sahady any amin’ny vidim-bary izany. Niakatra ho 3 100 Ariary ny kilaon’ny vary “Riz de luxe”, raha toa ka 2 900 Ariary izany taloha. Mbola misy vitsivitsy ihany mpisehatra mivarotra amin’io vidiny taloha io, eto an-drenivohitra.




