Banky foiben’i Madagasikara: Mahatratra 3,2 miliara dolara ny tahiry vola vahiny

Ampy tsara ny tahirim-bola ao amin’ny Banky foiben’i Madagasikara. Marindrano ihany koa ny Ariary miohatra amin’ny vola vahiny, indrindra ny dolara, na somary latsa-danja kely aza miohatra amin’ny euro.

Nanome tatitra ny zava-misy ankapobeny amin’ ny lafiny vola malagasy ny Banky foiben’i Madaga­sikara (BFM). Notsipihin’ny governora Andrianarivelo Aivo Handriatiana, fa mitohy toy ny mahazatra ny asa andavanandrony sy ny andraikitra sahaniny. Ao anatin’izany ny fandrindrana ny rafitry ny banky, ny fitantanana ny politikan’ny vola. Eo koa ny famatsiana vola eto amin’ny firenena.
Ampy tsara ny tahiry vola vahiny ao am-pelatanan’ny BFM. Ho an’izao volana oktobra izao, mahatratra 3,2 miliara dolara ny tahiry devizy, ka mitentina 140 tapitrisa dolara ny volamena amin’io, raha toa ka nahatratra 3,1 miliara dolara ny tahiry tamin’ny volana jona 2025. Mifanahantsahana amin’ny tetibidin’ny fanafarana entana any ivelany mandritra ny enim-bolana sy tapany io 3,2 miliara dolara io.

Mahazo aina ny Ariary miohatra amin’ny dolara
Mahakasika ny sandam-bola, mahazo aina ny Ariary raha oharina amin’ny dolara (1$=4 460 Ar), raha ny 3 volana farany izao no jerena. Mihen-danja kosa ny Ariary miohatra amin’ny euro
(1 euro= 5 170 Ar). Nanazava ny BFM, fa noho ny fifandanjan’ireo vola vahiny roa ireo eo amin’ny tsena iraisam-pirenena no mahatonga izany. Eo amin’ny lafiny fitazonana ho marindrano ny Ariary, mitentina 1 495 miliara Ar ny tahirim-bolan’ny BFM, tamin’ny faran’ny taona 2024.
Nampahatsihivin’ny BFM, fa maro ny fomba ampiasaina hitaterana ny vola aparitaka manerana ny Nosy. Tato anatin’ny enim-bolana, nahatratra 225 ny famatsiam-bola natao, ka nentin’ny fiaramanidina ny 95, ary tamin’ny fiarakodia tsy laitran’ny bala ny 133, nama­tsiana ireo masoivohony miisa 11 manerana an’i Madaga­sikara.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: