Paikady lehibe apetraky ny Fitantanana foibe ny Fadintseranana malagasy, ny fanavaozana ny fomba fiasa rehetra. Misy ny fiarahana miombon’antoka amin’ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad), ny Biraon’ny Firenena mikambana ho an’ny asa manohana ny tetikasa (Unops) ary ny governemanta malagasy.
Tafiditra ao anatin’izany koa ny fanavaozana ny fotodrafitrasa, toy ny seranan-tsambo. Nitety ny seranan-tsambo miisa sivy (Antsiranana, Vohemar, Antalaha, Nosy Be, Mahajanga, Toamasina, Toliara ary Taolagnaro), ny jolay sy aogositra 2025 teo, ny ekipa niarahan’ny teknisianina eto an-toerana sy iraisam-pirenena. Nijery ifotony ny zava-misy, nifampidinika tamin’ny mpisehatra rehetra amin’ny seranan-tsambo ary nanadihady ny antontam-baovao rehetra. Notombanana ny fotodrafitrasa rehetra sy ny dingana mahakasika ny ladoany samihafa.
Samy misy ny lesoka
Nampahafantarina ny mpisehatra rehetra, ny 5 septambra teo, ny vokatry ny fanadihadiana. Notsipihin’ny fitantanana foibe ny Fadintseranana malagasy, fa tanjona ny hampanarahana amin’ny fenitra sy ny fitsipika iraisam-pirenena ny fanavaozana hatao. Samy ahitana lesoka avy ny seranan-tsambo tsirairay. Maro loatra ny mpisehatra any Toamasina. Tsy ampy ny fampiasana ny niomerika any Antsiranana, Toliara, antitra ny fotodrafitrasa any Mahajanga, sns. Tsy voafehy koa ny toerana tsy ahitana sampandraharahan’ny ladoany, mampirongatra ny trafika. Vahaolana aroson’ny Fadintseranana malagasy ny famolavolana drafitrasa mirindra sy ny lafiny fitandroana ny fandriampahalemana any amin’ny toerana na faritra marefo.
Njaka A.




