Lalam-pirenena faha-9: Mandeha ny fanorenana ny tetezana Mangoky

Fotodrafitrasa anisan’ny goavana aorina ny tetezana Mangoky, any Bevoay, amin’ny RN9, eo amin’ny PK 199+700. Mandeha araka ny vina napetraka ny fanatanterahana ny asa, ankehitriny. Tetezana miampita ny reniranon’i Man­goky, mampifandray ny faritra Atsimo Andrefana sy ny faritra Menabe izy ity. Ankoatra ny fananganana ny tetezana, efa vita daholo ny asa fanarenana ny tany amin’ny lalana miditra ao aminy. Ity no tetezana lava indrindra eto Madagasikara, mirefy 880 metatra, raha toa ka 500 metatra ny tetezan’i Sofia, any Antsohihy.
Ampahatsiahivina fa efa vita godirao tanteraka ny RN9, miainga any Toliara hatrany Manja. Ho tohizana izany amin’ ny ampahany, eo Dabaraha mankany Morondava. Ho tanteraka izany rehefa vita ny tete­zan’i Mangoky, hanamorana ny fifamoivoizana mampifandray an’i Toliara sy i Moron­dava.
Manatanteraka ny asa ny orinasa sinoa CRCC, izay tokony ho vita tanteraka amin’ ny faran’ny taona 2026. Miten­tina 64,28 tapitrisa dolara ity tetikasa ity, iarahan’ny fanjakana malagasy sy ny mpama­tsy vola arabo miisa efatra. Ahi­tana ny Banky arabo ho an’ny fampandrosoana an’i Afrika (Badea) sy ny Tahirimbola saodianina ho an’ny fampandrosoana (FSD), Tahirimbola Kowesiana ary ny Ofid.

Njaka A.

Partager sur: