Mandeha araka ny tokony ho izy, hatreto, ny fitaterana manokana ny milina avy any Toamasina ho aty Antananarivo. Azo antoka ny fanamafisana ireo tetezana miisa 13 amin’ny RN2.
Niainga ny alakamisy maraina teo ny fiarabe mitatitra ireo milina hapetraka eny amin’ny toby Ambaohimanambola, hamokatra 105MW. Araka ny lamina napetraka, notsinjaraina telo andro ny fotoana hitaterana ny ampahany voalohany, ahitana fiarabe miisa 8, ka anisan’izany ny motera be « bloc moteur » milanja 72 taonina ny iray, ary manodidina ny 20 taonina ny 7 hafa. Nijanona tao Antsampanana ireo fiarabe, ny harivan’ny alakamisy. Niainga indray, omaly tamin’ny 5 ora maraina, nandalo an’i Beforona, ny atoandro tamin’ny 12 ora. Nandritra ny fotoana nanoratanay, vinavinaina ho tonga ao Moramanga ireo fiarabe, omaly hariva. Miainga androany maraina indray, ka vinavinaina ho tonga aty Antananarivo, anio hariva. Tsiahivina fa tsy misy ny fitaterana amin’ny alina. Tsy mbola voafaritra mazava kosa ny fandaharam-potoana amin’ny fitaterana ny milina hafa, andiany faharoa.
Nilamina tsy nisy tomika ny fizotry ny fitaterana tamin’izao andiany voalohany izao, indrindra rehefa nandalo ny tetezana, izay efa nohafamafisina. Araka ny fanazavana azo, nihemotra ny alakamisy vao afaka niainga ireo fiarabe, noho ny fanomanana ny fampiakarana ireo milina teo ambonin’ny kamiao.
Mandalo By-Pass sy any Behintsy
Miantoka ny fanatsarana ny RN2 sy ny fanamafisana ny tetezana ny minisiteran’ny Asa vaventy (MTP). Rehefa tonga eto Antananarivo, handray ny lalana By-Pass ireo fiarabe. Misy lalana mirefy 3,5 km handehanany mandra-pahatonga eny amin’ny Jirama Ambohimanambola. Nosafidiana ny lalana eny Behintsy, satria tsy misy tetezana, ka tsy maintsy narenina ny tena ratsy. Efa azon’ny fiara lehibe mavesatra handehanana tsara izany, ankehitriny. Hatao godirao tsy ho ela ity lalana ity, amin’ny alalan’ny Tahirimbolan’ny lalana (FR).
Sajo sy Njaka A.




