Jono : Mikatona ny fitrandrahana drakaka

Namoaka didy ny minisiteran’ny Jono sy ny fampiroboroboana ny toekarena manga. Voarara ny fanjonoana, ny fananagonana, ny famatorana, ny fividianana, ny fitaterana, ny fitahirizana ary ny fanondranana any ivelany ny drakaka amin’ny endriny rehetra. Mihatra ity didy ity mandritra ny roa volana, manomboka ny 16 oktobra hatramin’ny 15 desambra 2025, manerana an’i Madagasikara.
Koa, tsy maintsy manao fanambarana eny amin’ny fitantanam-paritry ny Jono sy ny fampiroboroboana ny Toekarena manga (DRPEB) ny tahiry ananany ireo mpandraharaha rehetra momba ny drakaka. Izany dia hatao ny datin’ny fikatonan’ny jono sy ny tetiandro fandefasana ireo tahiry ireo. Ankoatra ireo, tsy maintsy atao alohan’ny 15 novambra 2015 ny fandefasana sy ny fanondranana ireo vokatra tahiry ireo.
Toy ny isan-taona, raisina izao fepetra izao hitsinjovana ny fitomboan-taranaka amin’ity fihariana ity, satria vanim-potoana fanatodizana ireo roa volana ireo. Misy koa ny didy hafa mametra ny fotoam-panjonoana ho an’ny hazandrano hafa, arakaraka ny faritra.

Njaka A.

Partager sur: