VAOVAO TAMBATRA

Miverina amin’ny laoniny tsikelikely ny fiharian’ireo mpivarotra sy mpitatitra, omaly. Ny maraina ihany anefa no ahitana izany fa voaelingelina indray ny tolakandro, indrindra ny eny amin’ny manodidina an’i Mahamasina, Anosy, Anosibe, sns. Mihavitsy ny taxi-be satria tsy azo andehanana ny eo Analakely, manomboka amin’ny 10 ora maraina. Vitsy ihany koa ny mpandeha satria tsy mianatra ny ankamaroan’ny mpianatra.

Tsy miova ny vidin-javatra, amin’ny ankapobeny, na eo aza ny krizy. Mora vidy ny anana sy ny legioma. Tsy mihetsika, manodidina ny 2 800 Ar hatramin’ny 3 500 Ar, ny kilaon’ny vary. Mahatratra 1 200 Ar ny kapoakan’ny kabaro maina, 1 800 Ar na 2 000 Ar ny kapoakan’ny tsaramaso maina, 2 000 Ar hatramin’ny 2 500 Ar ny kapoakan’ny voanjo masaka. Amidy 500 Ar hatramin’ny 800 Ar kosa ny atody akoho iray.

Tsy hampandoavina haban-tseranana ireo entana hafaran’ny mpandraharaha voaroba magazay nandritra ny 25 septambra, araka ny tenin’ny filoha Rajoelina. Voakasik’izany ny entana vaovao hanavaozana ny tahiriny, izay very vokatry ny fandrobana. Ho jerena ihany koa ny hanamorana ny findramam-bolan’izy ireo, hanarenany ny orinasany avy. Hatao ireo mba hanohanana ny mpandraharaha voaroba sady hamerenana amin’ny laoniny ny fihariany avy.

Partager sur: