Folo ny tranga vaovao voamarina tamin’ny fitiliana 331 vita tao anatin’ny herinandron’ny 21-27 janoary lasa teo. Vaovao nampitain’ny avy ao amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, omaly. Dimy ny tranga misy fahasarotana, 38 ny olona mbola marary. Tsy nisy ny aina nafoy vokatry ny valanaretina ho an’ny herinandro farany. Efatra amin’ny tranga vaovao avy eto Analamanga avokoa, telo tany Atsinanana, roa voatily tany Boeny ary iray tany Atsimo Andrefana. Mbola Analamanga hatrany no ahitana tranga be indrindra. Anisan’ny faritra ahitana tranga vaovao hatrany isan-kerinandro, araka ny antontan’ isa.
Nanomboka ny volana marsa 2020 hatramin’ny 27 janoary lasa teo, mahatratra 67 827 ny olona voamarina fa mitondra ny tsimokaretina Covid-19 teto amintsika. 66 370 tamin’ireo sitrana raha 1419 kosa no namoy ny ainy.
Mbola nanamafy ny minisitera mpiahy, mila hajaina ny fepetra sakana rehetra indrindra ny fametrahana ny arovava sy orona any anaty fitateram-bahoaka.
Vonjy