VAOVAO TAMBATRA

Nanao ny asany mahazatra ny mpivarotra, omaly maraina. Nikatona avokoa izy ireo nanomboka ny atoandro mandra-pahariva ny andro noho ny korontana. Toraka izany koa ny tsena, toy ny teny Anosibe sy Anosy Mahamasina. Nizotra toy ny mahazatra kosa ny fiainana andavanandro teny amin’ny manodidina ny Renivohitra.

Nozaraina zana-trondro miisa 10 000 sy apombo 1 taonina ny mpiompy trondro miisa 10 any Ambodigavo, distrika Moramanga, ny herinandro lasa teo. Nanatanteraka ny fanohanana ny Conservation internationale niaraka tamin’ny fitantanam-paritry ny Jono sy ny toekarena manga Moramanga. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa Preaa no nahafahana nanatontosa izany.

Nisy ny fanapahana ny herinaratra tany amin’ny manodidina an’Ambatoroka, ao anatin’ny zotra D1, omaly. Naharitra adiny iray izany, nanomboka tamin’ny 12 ora 30 mn hatramin’ny 1 ora sy sasany. Antony, nisy hazo nahakasika taribin-jiro teny an-toerana ka tsy maintsy norantsanana.

Partager sur: