Miisa 27 ny olona namoy ny ainy, lasan’ny rano, vokatry ny fandalovan’ny rivodoza teto Madagasikara. 21 tsy hita popoka, raha ny tatitra avy amin’ny BNGRC, omaly. Mbola misy hatrany ireo tsy mbola naharenesam-baovao hatreto. Mahatratra 84 874 ny traboina manerana ny nosy. Mitsinjara ao anatin’ny faritra 17 ny 19 664 amin’ireo. Mahatratra 39 380 ny olona tsy maintsy nafindra toerana vonjimaika. Notsinjaraina amin’ny toerana samihafa miisa 143 ny 8 747 olona amin’izy ireo. Maherin’ ny 25 745 isa ny tanimbary dobo-drano vokatry ny rotsak’orana. Simba sy potika avokoa ny 1 072 isa, amin’izany. Maherin’ny 1 400 hektara ny voly vary tondraky ny rano ato amin’ny faritr’Analamanga, Analanjirofo, Boeny ary Sofia. Maherin’ny 500 ny tokantrano simba.
Mbola misy ny lalana sy tetezana tapaka amin’ny lalam-pirenena samihafa. Anisan’izany ny lalam-pirenena fahaefatra sy fahaenina. Vokatry ny fihotsahan’ny ampahan-dalana amin’izany. Efa nahitana fihenana ny ranon’ny sisaony tamin ‘ny faran’ny herinandro. Efa nitsahatra rahateo ny rotsak’orana ho an’ny eto Antananarivo manokana. Efa niverina any an-tokantrano ny traboina sasany. Miverina mianatra ny mpianatra manomboka androany.
Mino (mpianatra asa)