Manana vina hitantanana maharitra ny harena ambanin’ny tany ny orinasa QMM any Taolagnaro. Ao anatiny ny lafiny angovo, ny famatsiana rano fisotro, ny seranan’i Ehoala, ny asa sosialy, sns.
Ankoatra ny angovo ilainy amin’ny asam-pihariana ataony, mamatsy herinaratra ny Jirama ao Taolagnaro ihany koa ny orinasa QMM, amin’ny alalan’ny toby natsangany any Mandena. Ampy tsara, mamaly ny 100%, ny filana herinaratry ny tampon-tanànan’i Taolagnaro manontolo izany. Angovo
amin’ny alalan’ny gropy mamokatra herinaratra no nampiasain’ny QMM hatramin’ izay, saingy novaina. Satria, mitodika any amin’ny famokarana azo havaozina ny orinasa. Mitotaly 30 MW ny herinaratra vokarina, natsangan’ ny QMM, ka angovo avy amin’ ny masoandro ny 14 MW, ary avy amin’ny rivotra (éolienne) ny 16 MW amin’izany. Marihina fa voalohany eto Madagasikara no misy famokarana herinaratra avy amin’ny rivotra goavana toy izao, fa madinika sy an’olon-tsotra avokoa ny fahita hatramin’izay. Efa mihodina tanteraka ny toby mandeha amin’ny herin’ny masoandro. Misy ampahany efa tafapetraka ihany koa ny mandeha amin’ny rivotra, ho vita tanteraka amin’ny faran’ity taona 2025 ity, raha ny tetiandro napetraka.
Hamatsiana ny tanànan’i Taolagnaro, izay ampy tsara ho an’ny filàn’ny mpanjifa, ny 4 MW amin’io 30 MW io. Tsiahivina fa tsy nisy delestazy intsony any an-toerana, nanomboka ny taona 2011, afa-tsy ny fanapahana noho ny antony teknika.

Mampiroborobo ny fizahantany
Fotodrafitrasa natsangan’ ny orinasa QMM ihany koa ny seranan-tsambon’i Ehoala.
Ampiasaina amin’ny fandraisana ireo akora sy kojakoja hafarana avy any ivelany ilain’ny orinasa amin’ny seha-pihariana sy hanondranana any ivelany ny fasimainty vokariny izy io. Manampy izany, fotodrafitrasa ho an’ny besinimaro ity seranan-tsambo ity, azo ampiasaina amin’ny fitantanana ny fivezivezen’ny entana miditra sy mivoaka, izay tombanana hatrany amin’ny 70% izany any an-toerana. Manamora ny fifanakalozana ao anatin’ny fiaraha-miasa amin’ny mpiara-miombon’ antoka sy ny mpisehatra samihafa eto an-toerana sy iraisam-pirenena izany.
Fa anisan’ny tombontsoa lehibe amin’ny fisian’ity seranan-tsambo ity koa ny lafiny fizahantany. Satria, toerana mahaliana amin’io lafiny io ny fisian’ny valanjavaboahary any an-toerana. Niisa 10 ny sambo vaventy (paquebouts) tonga nigadona tao amin’ny seranan-tsambon’i Taolagnaro, nanomboka ny desambra 2024 hatramin’ny jolay 2025 teo. Mpizahatany anarivony no entin’ny sambo vaventy toy izao, manjifa ny vokatra ao an-toerana, toy ny asa tanana sy ny kojakoja samihafa. Nahatratra 73 ny isan’ny sambo vaventy nandalo tany Taolagnaro, nanomboka ny taona 2009, fotoana nisokafany voalohany. Maherin’ny 50 000 ny mpizahatany nandalo.
Andraikitra ho an’ny fiarahamonina RSE
Manana fandaharanasa manokana ao anatin’ny fandraisana andraikitra eo amin’ny firaha-monina (RSE) ny QMM. Nisy ny fifanarahana teo amin’ny orinasa sy ny fanjakana malagasy, tamin’ny aogositra 2023. Anisan’ny voalaza ao fa manokana 4 tapitrisa dolara isan-taona ny QMM ho an’ny asa sosialy, hanatsarana ny fari-piainan’ny mponina. Ao anatin’izany ny fanarenana ny tontolo iainana sy ny ala, ny famatsiana rano fisotro, ny tetikasa Asa tanamaro, ny fanabeazana, ny fahasalamana, ny jono, ny fandraharahana, sns. Eo koa ny fanatsarana ny fotodrafitrasa ho an’ny vahoaka, toy ny fanampiana hanarenana ny lalana ao an-tampon-tanànan’i Taolagnaro, ohatra. Misy koa ny fanavaozana ny toby fanadiovan-drano any Lanirano.
Mila fahatoniana ny firenena amin’ireo fampandrosoana ireo, manoloana ny zava-misy, ankehitriny.
Nanatontosa : Njaka Andriantefiarinesy




