Delestazy : Ho avy ny gropy 50 MW

Anisan’ny nasongadin’ny filoha Rajoelina Andry, nandritra ny lahateniny ho an’ny vahoaka malagasy, ny alatsinainy 13 oktobra teo, mahakasika ny delestazy. Nambarany fa mahatratra 50 MW ny tsy fahampian’ny famokarana jiro eto Antananarivo Renivohitra. Hisy gropy mamokatra herinaratra 50 MW mandeha amin’ny solika, fanomezana avy amin’ny firenena naman’i Madagasikara. Halefa fiaramanidina ka ho avy eto amintsika afaka volana vitsy. Ho feno ary mihoatra aza ny famatsiana herinaratra, satria hihoatra ny 300 MW ny famokarana herinaratra eto Antananarivo, afaka herintaona.
Tsiahivina, fa efa tonga eny Ambohimanambola ny kojakoja, amin’ny 105 MW, ampahany voalohany amin’ireo sivy. Tsy mbola voafaritra ny ampahany valo ambiny, ary tsy fantatra ihany koa ny tena hahafahan’ity toby ity hamokatra, fa tsy araka ny fandaharam-potoana napetraka hatramin’izay. Mandeha tsikelikely kosa ny fametrahana ireo toby mamokatra herinaratra avy amin’ny masoandro.

Njaka A.

Partager sur: