VAOVAO TAMBATRA

Misanda 5 171 Ar ny 1 euro ary 4 494 Ar ny
1 dolara, omaly teo amin’ny tsenam-bola. Marin-toerana ny sandam-bola malagasy amin’ny ankapobeny, tato anatin’ny iray volana mahery, na eo aza ny krizy iainan’ny firenena. Milaza kosa ny mpahay toekarena, fa tsy maintsy hiantraika amin’ny sandam-bola ny vokatry ny fandrobana satria entana hafarana any ivelany avokoa no amidin’ireo mpivarotra voaroba.

Tazana nandray anjara tamin’ny tolona teny amin’ny Kianjan’ny 13 mey Analakely, ny mpiasan’ny ministieran’ny Jono sy ny toekarena manga (MPEB), izay mitaky ihany koa ny fanovana ny rafitra eo anivon’ity orinasa ity. Araka ny siosio-dresaka mandeha, mety hiova ho ministeran’ny Fambolena sy ny jono, fotsiny ny MPEB, marihina fa mbola andrasana ny fanendrena ny Minisitra hisahana izany.

Hiverina amin’ny fiainana andavanandro avokoa izao, ny ankamaroan’ny olona rehetra eto Madagasikara. Anisan’izany ny mpivarotra, araka ny fanadihadiana natao omaly, tetsy Analakely. Misy amin’ireo mpivarotra no efa mamerina ny asa fivarotana toy ny teo aloha, ary miezaka manarina ny fatiantoka nandritra ireny tolona ireny. Tsara ny mampahatsiahy fa roa andro teo izay, afaka nivarotra malalaka tsy misy ahiahy teny an-toerana izy ireo.

Partager sur: