GovTech : Havaozina amin’ny niomerika ny fitantanam-bola

Fihaonana iraisam-pirenena karakarain’ny FMI ny New Economy Forum. Lohahevitra amin’ity andiany ity ny hoe, « GovTech, manavao ny fomba fiasan’ny fitantanam-bola amin’ny alalan’ny niomerika ».

Tafiditra ao anatin’ny fi­haonana isan-taona iarahan’ny Banky iraisam-pirenena sy ny Tahirim­bola iraisam-pirenena (FMI) ary ny firenena mpikambana ao anatiny, ny New Economy Forum. Hotontosaina ny zoma 17 oktobra 2025 ho avy izao izany, any Washington, Etazo­nia. Firenena telo no voafantina ho an’ny GovTech amin’ity taona 2025 ity. Finlandy, Bresil ary Madagasikara, amin’ny alalan’ny Fadintseranana malagasy, nasaina manokana amin’ny maha Fitantanandra­haraham-panjakana filamatra azy amin’ny fampiasana ny haranitantsaina artifisialy (IA) aty Afrika. Ny tale jeneralin’ny Fadintseranana malagasy, Zafivanona Lainkana Ernest, no hanazava mahakasika ny fanavaozana amin’ny fampidiram-bolam-panjakana entin’ ny ladoany malagasy.
Hizarany ny traikefa mala­gasy amin’ny fanavaozana ny fomba fiasan’ny Fadintse­ranana amin’ny alalan’ny niomerika, ny fampiasana ny ha­ranitantsaina artifisialy, entina hanatsarana ny fanombanana ny ambana, ary ny famoro­nana ny Foibe faratampony mahakasika ny antontam-baovao sy ny haranitantsaina artifisialy (Cedia), izay ivontoe­rana voalohany aty Afrika.

Haban-tseranana amerikanina
Nanomboka ny alatsinainy 13 oktobra teo ny fivoriambe isan-taona iraisan’ny Banky iraisam-pirenena sy ny FMI any Washington DC, Etazo­nia. Manatrika any daholo ny firenena mpikambana ao anatin’ireo mpamatsy vola iraisam-pirenena mahazatra ireo. Anisan’ny dinihina ny toeka­rena maneran-tany ankapo­beny ny fahamarinan-toerana ara-bola ary ny fampandrosoana ny maneran-tany. Ani­san’ny zava-dehibe tena hisian’ ny ady hevitra ny mahakasika ny haban-tseranana ampiha­rin’i Etazonia amin’ireo fire­nena manondrana entana any aminy. Eo koa ny fiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro. Hifa­rana amin’ny 18 otkobra ity
fo­toana ity.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: