Avaradrano: Tantsoroka ho an’ny mpiompy trondro

Nidina ifotony teny amin’ ny kaominina Fieferena, dis­trika Avaradrano, ny Fitanta­nam-paritry ny Jono sy ny toekarena manga (DRPEB) Ana­la­manga, ny 15 oktobra teo. Nomena tantsoroka, tohana ara-teknika momba ny fampanatodizana karpa ny mpiompy trondro miisa enina eny an-toerana. Nisy ny fijerena ireo trondro efa vonona hampiasaina amin’ny fampanatodi­zana, izay mbola eo andalam-pikarakarana. Tanjona ny hanatsarana ny fepetra, hahazoana vokatra tsara. Nankasi­trahin’ireo mpiompy trondro izao tantsoroka ara-teknika izao.
Tsiahivina fa tanjon’ny minisiteran’ny Jono sy ny fampiroboroboana ny toekarena manga, ny fanohanana mivantana ny mpisehatra eny ifo­tony, toy ny mpiompy trondro. Tafiditra ao anatin’izany ny fidinana ifotony toy izao, en­tina hanatsarana sy hampitomboana ny vokatra, mba hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Misy ny fampiofanana maimaimpoana ny tan­tsaha, amin’ny fiompiana trondro an-dobo sy an-tanimbary, miampy ny fomba fanamboarana ny sakafon-trondro. Maro ny fokontany, ny kaominina ary distrika nisitraka izany fampiofanana izany, izay mbola mitohy ankehitriny.
Eo koa ny fanohanana ara-teknika sy ny fanaraha-maso ho an’ireo efa misehatra amin’ny fiompiana trondro, toy izao fidinana ifotony natao teny Fieferana Avaradrano izao.

Njaka A.

Partager sur: