Anisan’ny nasongadin’ny filoham-panjakana, Randrianirina Michael, ny fanarenana ny toekarena. Tafiditra ao anatin’izany ny lafiny fandraharahana, hisarihana ny mpandraharaha avy any ivelany sy ny fampiasam-bola vahiny (IDE). Nomarihiny fa ilaina ny mametraka tontolo ara-pandraharahana azo antoka eto amin’ny firenena, ka izay no hiaraha-miasa amin’ireo vondrona iraisam-pirenena.
Nivoitra tao anatin’ny lahatenin’ny filoham-panjakana ny hanenjehina ireo fanetriben’ny firenena, ankoatra ny fitsitsiana. Izany hoe, hahena ny tetibola hampiasain’ny governemanta, fa ho henjehina ihany koa ireo voaporofo fa nanodinkodina ny volam-panjakana. Azo heverina fa ho maro ny asan’ny Samifin, satria mety hisy koa ny raharaha tafiditra anatin’ny famotsiam-bola.
Vita ny fanatsarana ny lalana ao an-tampon-tanànan’Andranomamy, amin’ny lalam-pirenena faha-4, PK 389 hatramin’ny PK 406. Eo an-dalam-panatanterahana koa ny fanarenana ny lalana any Antanimbary, Antsiafabositra, Andranobevava. Tsiahivina fa an-dalam-panavaozana tanteraka ny lalam-pirenena faha-4 manontolo, mampitohy an’Antananarivo sy Mahajanga.




